SOMBIM-BAOVAO

Hotontosaina ny 30 sy 31 mey ary ny 1 jona izao, any Toamasina, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja beach-volley, ho an’ny taona 2025. Eny amin’ny torapasika, eo ampitan’ny Hopitaly Be no hanaovana ny fifaninanana mandritra ny 3 andro.

Ho feno tanteraka ny fandaharam-potoana ho an’ny taranja Jiu-jitsu, mandritra ny enim-bolana faharoa. Hisy ny fifaninanana nasionaly efatra hotontosaina, eo koa ny seminera ary ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany any Abu Dhabi.

Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra, natao afakomaly lasa, ny hanohanana ireo Malagasy atleta hiatrika ny “IHF Trophy Zone 7”, taranja handball. Hotontosaina etsy amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina izany, ny 27 – 31 mey ho avy izao.

Mandeha ny resaka ao Arabia Saodita fa mety hiala ao amin’ny klioban’ny Al Nassr i Christiano Ronaldo, lohalaharana portiogey. Tsiahivina fa misy ekipa mifanintsana amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany ny klioba haka azy amin’ny volana jona ho avy io. Azo heverina izany fa hifanandrina indray i CR7 sy i Lionel Messi, arzantinina.

Partager sur: