Yas Coupe de Madagascar : Manohy ny diany ireo klioba hafa, haverina ny lalaon’ny Elgeco Plus

Notontosaina ny faran’ny herinandro teo, tao amin’ny kianja Elgeco Plus, ny lalao ampahavalon-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, « Yas Coupe de Madagas­car ». Misy lalao iray tsy maintsy averina.

Fantatra avokoa ny anaran’ireo klioba fito tafita amin’ny lalao ampahefa-da­lan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagascar, «Yas Coupe de Madagascar», taranja baolina kitra. Anisan’izany ny Fc Rou­ge, ny Cosfa, ny Toulon FA, ny Ajesaia, ny CFFA Andoharano­fotsy, ny As Fanalamanga, ny As Ste Anne Avenir.
Mbola mamerina ny lalao amin’ity fifaninanam-pirenena ny Elgeco Plus, tompon’ny amboara farany. Izy ireo izay nifandona tamin’ny FC Wagner, ny omaly, tetsy amin’ny kianja Elgeco Plus By-pass. Ady sa­hala 0 no ho 0 ny lalao tamin’io fotoana io, saingy nitsahatra teo amin’ny minitra faha-55.
Araka ny fantatra, alina loatra ilay lalao vao mifarana ka voatery haverina amin’ny fotoana manaraka. Andrasana ny fanapahan-kevitrin’ny mpitsara taorian’izany. Raha hiverenana kely nefa ny fifanandrinana tamin’io 55 minitra io, niezaka nanindry mafy ny tompon’ny amboara faran’i Madagasikara, saingy tsy nahakobana ny harato mihitsy teo amin’ny fidirana voalohany, ka hatramin’ny fitsaharan’ny fihaonana.
Tsiahivina fa ny Elgeco Plus, efa impito nifaninana ta­min’ny fifaninanana afrikanina Ccaf, ny taona 2013, 2014, 2017, 2018, 2022, 2023, 2024.

Nomontsanin’ny CFFA ny Uscafoot Espoir

Nanaovan-dry Gre gasy sy Lalaina, mpilalaon’ny CFFA, fampisehoana ny Uscafoot Espoir, ny afakomaly, teny amin’ny kianja Elgeco Plus. No­mon­tsanin’ny CFFA Andoha­rano­fotsy, tamin’ny isa 5 no ho 1, ny Uscafoot Espoir. Nahata­fiditra baolina efatra tamin’ity fihaonana ity moa i Gre gasy. Tsara ny mampatsiahy fa ny CFFA Andoharanofotsy dia efa niatrika fifaninanana afrikanina Ccaf ihany koa, ny taona 2021, ary nandrombaka ny ambo­aran’i Madagasikara tamin’io taona io ihany.

Ireo voka-dalao rehetra amin’ny 1/8 :

Fc Rouge (2)-(0) Requin Bleu
Uscafoot PFL (2)-(3)Toulon FA
As Fanalamanga (1)-(0)As Faji
Cosfa PFL (3)-(0)Cosfa Espoir
Elgeco Plus – Fc Wagner (averina)
CFFA PFL (5)-(1) Uscafoot Espoir
Ajesaia PFL (7)-(2)Net Foot
Mama Fc PFL (1) 3-tab-4 (1) As Avenir Ste Anne PFL

Tafita ny As Avenir Ste Anne

Tao anatin’ny fitaintainana vao tafita tany amin’ny ampahefa-dalan’ity fiadiana ny amboaran’i Madagasikara ity, ny As Avenir Ste Anne (Assa). Lavon’izy ireo teo amin’ny fandakana  “tirs au but”, 5 no ho 4 ny Mama FC, rehefa nisaraka ady sahala 1 no ho 1, nandritra ny fe-potoana ara-dalana.
Raha hiverenana ny lalao, nifandanja ny fifanafihana teo fizaram-potoana voalohany, samy tsy nisy nitoko ny klioba roa tonta, ary isa 0 no ho 0, no nentin’ny izy ireo niala sasatra. Nandritra ny fidirana faharoa, nanakobana ny haraton’ny Ste Anne, ny Mama FC, tamin’ny alalan’i Njakatiana, ny minitra faha-48.
Niezaka nanidry sy nanenjika ny isa ry zareo mpilalaon’ ny Avenir Ste Anne. Tany
amin’ny minitra, faha-90 vao nahasahala ny isa i Dorlin, lohalaharan’ny Assa.
«Mafy ilay lalao teo, ary niady tanteraka. Nanaraka ny torohevitra nomena fotsiny ny mpilalao ary io no nitarika ny fandresena ho anay. Mbola sarotra ny eo amin’ny ampahefa-dalana fa hiezaka izahay», hoy ny coach Maxime. Araka ny fandaharam-potoana moa, hifandona amin’ny Ajesaia ny As Avenir Ste Anne any amin’ny ampahefa-dalana.

Nanatontosa : Fitia Randria

Partager sur: