Karate-Africa Cup JKA : Nahazo medaly volamena 2 sy alimo 1 ny Malagasy

Malagasy mpikatroka mirahalahy no nisolo tena an’i Madagasikara, nandritra ny fiadiana ny amboaran’i Afrika JKA, taranja Karate. Fifaninanana notontosaina tany Afrika Atsimo.

Tsara ny vokatra ho an’ny solontena malagasy, niatrika ny fiadiana ny amboaran’i Afrika eo anivon’ny JKA (Japan Karate Asso­cia­tion), natao tany Afrika Atsimo, ny faran’ny herinandro teo. Medaly volamena 2 sy alimo 1 no azon’ny Malagasy mpikatroka avy amin’ny Klioban’ny Te­ka­do, eo ambany fiahian’ny Madagascar JKA. Teo amin’ny Kata no nahazoana ny medaly volamena 2, tamin’ny alalan-dRandrianarivony Ny Hasina Mael (7 taona) sy Randrianari­vony Ny Hasina Mathieu (12 taona), ity farany izay mbola nandrombaka medaly alimo, teo amin’ny Kumité. Namba­ran’ny mpanazatra azy ireo, Sensei Ramanantsihariva Lanto fa tsy dia nisy natahorana satria mitovitovy taona sy grady avokoa ny mpifanandrina. Lalao ara-pirahalahiana tanteraka no niseho, hoy ha­tra­ny ny nambarany. Tsiahivi­na, firenena 8 no nandray anjara, nahitana an’i Tanza­nie, Kenya, Maorisy, Zimbab­we, Angola, Afrika Atsimo, Botswana ary i Madagasikara. Nianto-tena tanteraka ny Klioban’ny Tekado tamin’ity fifaninanana saingy faly izy ireo satria nody ventiny ny rano natsakaina. Ankoatra ny fifaninanana, nisy ny fiofanana nomen’ny manam-pahaizana japoney ka anisan’ny afaka nisitraka izany ireo mpanazatra malagasy mpikatroka roa niaraka tamin’ireo atleta ireto.

Mi.Raz

Partager sur: