DAKA AN-JORONY: Rehefa tiana io mahavelon-tsioka

Samy manana lalao iraisam-pirenena avokoa ny taranja rugby sy ny baolina kitra ato ho ato. Efa samy manoman-tena fatratra amin’izany avokoa ny andaniny sy ny ankilany. Ny baolina kitra hanafika any ivelany, saingy fihaonana fitsapana ny azy ireo. Ny an’ny baolina lavalava indray fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ny sokajy vehivavy. Lalao hotanterahina eto an-toerana, izany hoe, hampiantrano vahiny izany ny Malagasy rugby. Na ho an’ireo hivoaka an’i Madagasikara na ho an’iretsy handray vahiny, tsy mora ny fiomanana sy ny fanomanana. Toy ny sakamalao sy havozo, samy mitondra ny hanitra ho azy fa ny tanjona iray ihany, ny hibatana ny fandresena.
Efa nekena io ka tsy maintsy hatrehina. Tsy misy mangidy ohatry ny sakay, fa rehefa tiana io mahavelon-tsioka. Tsy azo fitia sarin-dramanavy, ka sady totozy no manana elatra. Tsy hitarain-tana-miepaka io fa na ho vy na ho vato, tsy mainty vita ny anarany. Ny gadogado-pamindra anefa fanaon’ny matanjaka ary ny rodorodo fandeha fanaon’ny mahery. Ny mahery tsy maody nefa tsy ela fiainana ka tsy misy ohatry ny mitandrina. Ekena fa miady irery aloha eto ny federasionina eo amin’ny fikarakarana fa rehefa mahomby io, tonga ho azy tsy nantsoina toy ny olona manan-trosa, ny mpanohana. Ho avy tsy kopahin-tanana ny fitondrana mahefa hitondra izay voatsirambin’ny tanany satria reharehany koa ny fahazoana fandresena. Koa mahaleova, mahalasana fa tsy misy mangidy ohatry ny sakay fa rehefa tiana mahavelon-tsioka.
Tsy azo atao ranomaso teren-tsetroka ny fahazotoana fa ilaina fikirizana io. Ialao ny mpamendrofendro fa tsy hahafahana miroso ireny. Ankino amin’ny ezaka ny tanjona fa tsy misy mafy tsy laitry ny zoto.

Tompondaka

Partager sur: