Notontosaina omaly, teny amin’ny kianjan’Alarobia, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara amin’ny hazakazaka lavitr’ezaka, «Yas Semi Marathon » andiany fahadimy, taona 2025. Nanjaka teo amin’ ny sokajy « seniors », ho an’ny alaviran-dalana 21 km, Rakotonirina Jean Claude, atleta lehilahy, avy amin’ny klioba AS Crown Antsirabe. Araka ny fanadihadiana natao, 1 ora sy 7 minitra ary 14 segondra, no nanaovany an’io alaviran-dalana io. Teo amin’ny sokajy vehivavy, nisongadina tanteraka Ralisinirina Marthe. Nataony tao anatin’ny fe-potoana, 1 ora sy 21 minitra ary 50 segoandra ny alavirana 21 km. Nandrombaka ny medaly volamena teo amin’ny zandriny «junior», lehilahy, kosa Ramiandrisoa Jeremie, raha toa ka Ramiandrisoa Sophie, ho an’ny vehivavy. Nizara telo ny sokajin-dalao teny an-toerana, ankoatra ny hazakazaka manana halaviran-dalana 21 km, teo ihany koa ny 10 km. Nisy ny fankalazana ny andro ho an’ny ankizy na ny “kids Athletics”. Mampiavaka ity hetsika ity ny fisian’ny 10km izay natao ho an’ireo olona rehetra tsy manana kara-pilalaovana. Notolorana lelavola sy loka moa ireo rehetra nahazo vokatra tsara tamin’ity fifaninanana nasionaly ity. Nahatonga solontena avokoa ireo ligy mandrafitra ny federasionina. Anisan’izany Analamanga, Vakinankaratra, Anosy, Boeny, Atsimo Andrefana.
F. R