“Médecine du sport et de dopage” : 31 mianadahy nahazo mari-pankasitrahana

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tany Andasibe, ny fizarana ny mari-pankasitrahana ho an’ireo mpiofana nanaraka ny “Cours national décentralisé en médecine du sport et de dopage”. 31 mianadahy no nahavita ny fiofanana ka notolorana izany mari-pankasitrahana izany. Tsiahivina fa efa nanomboka ny 22 mey teo ny fiofanana ka nisy ny “cours théorique” sy ny fampiharana ary ny fifampizarana traikefa nandritra ny 3 andro. Zava-dehibe ny tontolon’ny fitsaboana sy ny resaka “dopage” eo amin’ny tontolon’ny fanatanjahantena, raha ny nambaran’ny dokotera Dadou, izay anisan’ny mpampiofana ka mila omena lanja sy omena sehatra. Tena ilaina ny fampiofanana toy izao, mba hisian’ny fampivoarana ny fanatanjahantena eto Madagasikara sy mba hanarahana ny fenitra iraisam-pirenena, hoy kosa ny nambaran’ireo mpiofana. Ilaina foana mantsy ary tsy afa-misaraka amin’ny lafiny fitsaboana ity sehatry ny fitsaboana sy ny “dopage” ity, ka tsy tokony hatao ambanin-javatra.

Mi.Raz

Partager sur: