Hita faty tao anatin’ny ranon’Ikopa, tetsy Tanjombato, omaly maraina, ny vehivavy iray 25 taona. Niala tao an-tranon’ ny ray aman-dreniny, teny an-toerana ihany, handeha ho any amin’ny namany izy, afakomaly, no izao hita faty izao.
Vehivavy iray 25 taona, hita faty tao anatin’ny ranon’ Ikopa, tetsy Tanjombato, omaly tamin’ny 9 ora maraina. Olona nanasa lamba teny amin’ny manodidina no nahita faty natsingevan’ny rano ka niantso ny tomponandraikitra. Tonga nijery ny zava-misy teny an-toerana ny polisim-pirenena avy amin’ny CSP 5 rehefa nahazo antso. Tonga teny an-toerana koa ny mpitsabo avy ao amin’ny CSB II Tanjombato nanao ny asany. Nanao ny fanadihadiana rehetra izy ireo taorian’izay. Tsy nahitana ratra ny vatan’ity tovovavy ity, raha ny tatitra voaray, nanao aronono mainty sy ambonin’akanjo fotsy sy mainty ary pataloha volondavenona izy nandritra ny fahitana ny razana. Tsy nahitana taratasy mahakasika azy io teny aminy. Mbola tsy fantatra ny fianakaviany tamin’ny fotoana nanaovan’ny tomponandraikitra fanadihadiana mahakasika ny raharaha teny an-toerana. Nentina avy hatrany teny anivon’ny tranom-paty HJRA ny vatana mangatsiakany avy eo.
Nilaza ho any amin’ny namany
Monina eny Tanjombato ity vehivavy hita faty ity. “Niala tao an-tranon’ny ray aman-dreniny, nilaza handeha ho any amin’ ny namany izy, afakomaly tamin’ny 3 ora tolakandro, ary tsy niverina intsony”, hoy i Florentine, rahavavin-dreniny, raha nanontaniana, omaly. Niandry ny fiverenany ny fianakaviana, tsy niverina mihitsy izy hatramin’ny omaly alina, fotoana hisakafoana hariva. “Nanomboka nantsoina tamin’ ny findainy izy, tsy tratra antso intsony”, hoy hatrany ity rahavavin-dreniny ity. Nitohy maraina ny fikarohana nataon’ny fianakaviana na dia mbola tsy nampandre ny mpitandro filaminana aza izy ireo. Gaga sy hatairana ny an’ireto farany rehefa naheno sy nahita tamin’ ny tambajotran-tserasera fa maty an-drano eny Tanjombato ny zanak’izy ireo. Tonga nijery teny an-toerana, taorian’izay, fa efa tsy nahatratra ny razana intsony. “Tsy nisy olana na fifamaliana na disadisa teo aminy sy ny ray aman-dreniny taloha ny nandehanany niala ny trano fonenany”, hoy ny fanazavana. Raha ny tatitra azo, maty an-drano tsy nahy ny antony nahafaty ity vehivavy ity tao anaty rano. Mihevitra anefa ny fianakaviana fa nisy namono ny zanak ’izy ireo ary nisy nanary tao amin’ity reniranon’Ikopa ity. Andrasana ny tohin’ny fanadihadiana, hahalalana ny marina.
Mino