Tafiditra tanteraka ny Ankoay vavy, ao anatin’ny fifaninanana “Fiba Women’s Series”, tanterahina omaly sy anio, any Azerbaidjan.
Azo lazaina ho tsara amin’ny ampahany ny vokatra azon’i Madagasikara nandritra ny andro voalohan’ny “Fiba Women’s Series”, taranja basikety 3×3. Fifaninanana tontosaina any Azerbaidjan, nanomboka omaly ary hitohy anio, ao anatin’ny andro faharoa. Fandresena no nisantaran’ny ekipa malagasy Ankoay, vehivavy, ny fifaninanana, omaly, nanoloana ny ekipan’i Roumanie. Isa 21 no ho 20 no nandresen’izy efa-bavy an’i Roumanie. Tsiahivina fa ry Hajanirina Harisoa Muriel, Jaofera Minaoharisoa Christiane, Rondro Raherimanana Emeranchine ary Randriantahiana Sarobidy no mandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy amin’io fifaninanana io. Rehefa avy nandresy an’i Roumanie tamin’ny isa 21 no 20 kosa anefa ny Ankoay, niondrika teo anatrehan’i Italie tamin’ny isa 21 no ho 15 indray tamin’ny lalao faharoa. Mbola hitohy anio ny fifaninanana amin’ity dingana voalohany ity. Any Viennes Autriche kosa no hanaovana ny dingana faharoa, ny 12 hatramin’ny 14 jona izao. Mbola tsy fantatra kosa ny hanaovana ny dingana fahatelo. Nomarihin’ny Federasionina malagasin’ny basikety, fa noho ny nahazoan’ny Ankoay, vehivavy, ny anaram-boninahitra tamin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika 3×3 no nahafahan’izy efa-bavy nisitraka ity fandaharanasan’ny Fiba ity, ho fampandrosoana ny Basikety 3×3 indrindra ny sokajy vehivavy.
Mi.Raz