Handball – “IHF Trophy”: Firenena 5 hiady ho lohany

Hanomboka anio, etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny “IHF Trophy”, taranja handball, ho an’ny faritra faha-7. Fifaninanana ho an’ny sokajy cadette sy junior, sokajy vehivavy. Firenena 5 no hiady ho lohany amin’izany dia i Madagasikara, La Réunion, Comores, Seychelles ary i Tchad. Nambaran-dRaherijaona Clarisse Régina, filohan’ny Federasionina malagasin’ny handball, ny alahady lasa teo, teny Antaninarenina, fa “hiavaka ny amin’ity ny fifaninanana satria hiara-dalana amin’ny fiadiana ny tapakilan’ny “Can”. Miatrika izany avy hatrany, izay voalohany, ankoatra ny hisolo tena amin’ny IHF Trophy kaontinantaly”. Nohamafisiny fa efa manao “Can” ny Akio na inona vokatra eo. Nahazoana izany ny nandrombahan’ny Akio ny anaram-boninahitra tatsy Afrika Atsimo, ny taona 2023. Amin’ity, hiantohan’ny kaonfederasionina afrikanina ny Akio raha tompondakan’ny faritra faha-7. Tafiditra ao anatin’ny politikan’izy ireo ny hampiroboroboana ny taranja ka hanampiana ireo firenena sahirana. Hanatrika ity “IHF Trophy” ity i Namama Fadiga, tale mpanatanteraka eo anivon’ny kaonfederasionina afrikanina.

Tompondaka

Partager sur: