SOMBIM-BAOVAO

Anisan’ireo mpilalao tonga namonjy ny fampivondronan’ny Barea Chan, omaly, tetsy Mahamasina, i Arohasina Andriamirado na i Dax. Nilaza ny tenany fa tombony lehibe ho an’ity ekipa nasionaly ity ny fifangaroan’ireo mpilalao zandriny vao hiantsehatra amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena sy ireo efa voky traikefa tahaka azy. Nambarany koa fa mbola vonona tsara izy ny hanome ny tsara indrindra avy aminy amin’ireo lalao hatrehin’ny Barea.

Tafita hiatrika ny dingan’ny ampahefa-dalan’ ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, ny ekipan’ny Elgeco Plus, rehefa nandavo ny klioban’ny FC Wagner, tamin’ny isa 1 no ho 0, omaly, tetsy By-Pass. Tsiahivina fa notohizana tamin’io fotoana io ilay fihaonana natsahatra teo amin’ny roa tonta. Ilay vodilaharan’ny Elgeco Plus, i Tony, no nahatafiditra ny baolina tokana ho an’ny tompon’ny amboaran’i Madagasikara farany.

Niatrika ny fampivondronana fahatelo ny ekipa nasionaly avy eto Analamanga, eo amin’ny taranja volley-ball hiatrika ny «CJSOI 2025», ny faran’ny herinandro teo. Teny amin’ny Kianja Barea no nanatanteraka ny fampivondronana ireo mpilalao.

Hotanterahina ny 14 hatramin’ny 20 jona, any amin’ny faritra Matsiatra Ambony, ny fiadiana ny ho tompondaka nasionaly, N1B, taranja basikety. Ho maromaro ihany koa ny fandaharam-potoana nasionaly sy iraisam-pirenena miandry ny federasionina amin’ity enim-bolana faharoa ity.

Partager sur: