Maty voatifitry ny polisim-pirenena avy ao Vatomandry, omaly maraina, ny jiolahy iray 31 taona, fantatra amin’ny solon’anarana hoe Ravoalavo. Efa ela nokarohina noho ny halatra sy fikambanan-jiolahy ity olon-dratsy ity ka izao tratra sy lavon’ny bala izao. Voasambotry ny mpitandro filaminana ny alatsinainy lasa teo izy ary notanana teny anivon’ny mpitandro filaminana. Nasaina nanoro ny namany izay miray tsikombakomba aminy amin’ny fanaovana asa ratsy izy, mba hamongorana ny fikambanan-jiolahy misy azy. Natao ny vela-pandrika, nitifitra avy hatrany ireo andian-jiolahy rehefa nahatazana ny mpitandro filaminana. Raikitra ny fifanjevoana teo amin’ny roa tonta. Nikasa handositra ity olon-dratsy voasambotra ity nandritra izany. Nikasa handray ny basy teny amin’ny polisy iray izy ary saika hitifitra ihany koa. Niaro tena ilay polisy ka nitifitra ity jiolahy ity, vokany, maty teo no ho eo izy. Namany roa hafa azo sambo-belona niaraka tamin’ny entana halatra teny aminy, nahitana moto sy solosaina. Nentina teny anivon’ny biraon’ny polisy nanaovana fanadihadiana izy ireo, ary hatolotra ny fampanoavana aorian’ny famotorana. Tsiahivina fa efa namoahan’ny zandarimariam-pirenena fikarohana ity jiolahy voatifitra ity tamin’ny taona 2022. Antony nikarohana azy tamin’izany, ny halatra moto, vaky trano ary ny firaisana tsikombakomba amin’ ny fikambanan-jiolahy. Nitohy ny fikarohana azy, ary izao nifanehatra tamin’ny polisim-pirenena avy amin’ny Commissariat de sécurité publique de district (CSPD) ao Vatomandry izao izy.
Mino