Lehilahy 35 taona namoy ny ainy tao amin’ny kaominina Mandritsara Renivohitra, omaly tolakandro, tamin’ny 4 ora sy sasany. Azon’ny tsy fahasalamana io lehilahy io. “Efa taizan’aretina izy ary tsy salama matetika”, hoy ny loharanom-baovao. Nandeha nanaraka fitsaboana teny anivon’ny mpitsabo io lehilahy tsy salama io, omaly. Nianjera tampoka tamin’ny arabe izy rehefa nikasa hamonjy fodiana any amin’ny 15 km miala ny tanànan’i Mandritsara. Tsy nahatsiaro tena intsony izy taorian’izay. Nitangorona ny nanatri-maso ary namonjy azy. Tsy tana ny ainy. Namoy ny ainy teo no ho eo izy. Nidina ifotony nijery ny zava-nisy ny tomponandraikitra isan-tsokajina ao an-toerana. Natolotra ny fianakaviany ilay nindaosin’ny fahafatesana.
Tsiferana R.