Fangalarana tetsy Analamahitsy : Tompon’antoka ny mpanampy an-trano

Tra-tehaky ny polisim-pirenena etsy Analamahitsy Cité, afakomaly tamin’ny 2 ora atoandro, ny mpanampy vavy iray sy lehilahy iray hafa namany. Voasambotra noho ny halatra sy fandraisana entana tsy ara-dalàna ka antony nisamborana ireto farany. Avy nangalatra entana tao amin’ny tokantrano iray niasany, teny an-toerana, ity tovovavy mpiasa an-trano ity.
Tonga nitaraina teny anivon’ny manam-pahefana ny tokantrano iray eny Anala­mahitsy, rehefa nahatsikaritra entana very tao an-tranony. Nisy nangalatra ny entana vitsivitsy, toy ny radio, finday maromaro sy ny entana hafa. Ny tompon-trano sy ny zanany ary ny mpanampy vavy iray no tao an-trano. Rehefa natao ny fisavana, tsy tao an-trano intsony ilay mpanampy, raha ny fanazavana voaray. Nidina ifotony nanao ny fanadihadiana sy nanao ny fanarahan-dia avy hatrany ny mpitandro filaminana. Vokany, tratra teny an-dalana tsy lavitra an’Anala­mahitsy ilay tovovavy sy ny lehilahy iray niaraka taminy. Rehefa natao ny fisavana, tratra teny amin’izy roa ireto ny entana avy nangalariny tao amin’ny tokantrano niasany. Nikasa handositra ho any Antsirabe niaraka tamin’ny entana nangalariny ireto voarohirohy ireto, raha ny fantatra. Nentina nanaovana fanadihadiana eny anivon’ny CSP 8 Analamahitsy izy ireo taorian’izay. Hatolotra ny fitsarana kosa aorian’ny famotorana. Tompon’antoka tamin’io halatra io ilay vehivavy mpiasa an-trano, raha ny fanadihadiana nataon’ny polisy. Nantsoiny hanampy sy hitatitra ary handray ny entana halatra kosa ity lehilahy iray tratra niaraka taminy ity.

Mino

Partager sur: