SOMBIM-BAOVAO

Hanomboka anio, any Mahajanga, ny fifaninanana baolina kitra lalaovina amin’ny torapasika « Festival Beach Soccer ». Fifanintsanana hitiliana ireo mpilalao handrafitra ny Barea de Madagascar beach soccer. Tsara ny mampahatsiahy fa misy ny fanofanana mpanazatra mandritra ny hetsika. Raha tsy misy ny fiovana, mety ho faritra 12 no hifanandrina amin’izany.

Nandrombaka medaly volamena ny ekipa nasionaly malagasy, omaly, tetsy Mahamasina, nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika Atsinanana, taranja tenisy ambony latabatra. Ny sokajy lehilahy, nifanintsana tamin’ny sokajin-dalao isan-tarika no nahazo izany, raha toa ka volafotsy ny an’ireo vehivavy.

Naranty tao France, nandritra ny fifaninanana tenisy, “Roland Garros”, ny amboara besofina « Ligue des Champions 2025 », izay azon’ny Paris Saint Germain FC. Ilay frantsay mpilalao, Dembele, mihitsy no nitondra izany tany an-toerana. Nilaza moa ity kintan’ny baolina kitra frantsay ity fa ny firaisankina no ilaina fa tsy ny voninahitra ho an’ny tena manokana.

Mitana ny laharana voalohany amin’ny filaharana navoakan’ny Uefa, ny Real Madrid Espagne. Eo amin’ny laharana faharoa kosa ny Manchester City, raha toa ka fahadimy ny Paris Saint Germain, tompondakan’ny LDC farany teo. Midika izany fa mbola manana ny lanjany sy ny hajany ny Real Madrid eo amin’ny sehatry ny baolina kitra.

Partager sur: