Hotanterahina manomboka rahampitso hatramin’ny 15 jona ho avy izao, any Afrika Atsimo, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika aty amin’ny faritra Atsimo. Tsy mbola nivoaka ny lisitry ny Barea de Madagascar, hatramin’ny omaly alina. Raha tsy misy ny fiovana, mety hanainga eto an-tanindrazana ny 4 jona ho avy izao ny delegasionina malagasy. Raha ny fampivondronana farany, mpilalao 28 nantsoin-dRakotondrabe Romuald Felix na ny Coach Rôrô. Marihina fa natao hanomanana ny “Chan 2024” izay hatao ny volana aogositra, ity “Cosafa 2025” ity. Tanjon’ny Barea ny haka ny amboara amin’izany. Tsiahivina fa ao amin’ny vondrona « C » no misy an’i Madagasikara. Hifandona amin’izy ireo i Tanzania sy i Eswatini. I Tanzania, ekipa miray vondrona, « B », amin’ ny ekipa nasionaly malagasy, mandritra ny “Chan 2024”, izay tontosaina ny volana aogositra ho avy io. Ny mpilalaon’i Eswatini kosa, efa nifankazatra tamin’ny Malagasy mpilalao. Izy ireo efa nahintsan’ny Barea, tamin’ny ady tapakilan’ny “Chan 2024”. Tsara ny mampahafantatra fa efa manana ny toerany ao amin’ny Chan i Madagasikara. Nandrombaka ny medaly alimo izy ireo tamin’ny “Chan 2022”, izay natao tany Algerie.
F.R