Federasionina malagasin’ny tolona : Hiditra amin’ny fampiofanana an-tsekoly

Taorian’ny fifaninanana afrikanina natao tany Maroc, hanomana hetsika maro ny Federasionina malagasin’ny tolona (FML). Araka ny fampitam-baovao nataon-dRavelo­son Mamitiana, filohan’ny fe­derasionina FML, ny sabotsy teo, tetsy Ampefiloha, hiditra amin’ny hetsika fampiofanana ny taranja eny an-tsekoly, “Wrestling School”, izy ireo, ny 6 jona ho avy izao, etsy amin’ny ANS Ampefiloha, raha tsy misy ny fiovana.
Ireo mpampianatra fanatanjahantena (EPS) no hisitraka izany. Efa nandefasana fanasana avokoa ireo sekoly 14 eto an-dRenivohitra. An­koatra izay, nilaza ny filohan’ny federasionina fa hosokafana amin’ny fomba ofisialy any Antsirabe ny hetsika, ny 20 jona ho avy izao. Hiezaka hifantoka amin’ny fampiakarana ireo taninketsa ny federasionina amin’izao fotoana izao. Azo lazaina fa tsara ihany ny vokatra nandritra ny fifanintsanana Afrikanina na­tao tany Maroc. Nitondra medaly alimo roa ny Malagasy tamin’izany. Hita ho lesoka ny tsy fahazarana miatrika fifaninanana avo ho an’ireo atleta eto an-toerana.
Araka ny fanazavana azo tamin-dRaveloson Mamitiana hatrany, efa manomana sahady ny fifanintsanan’ny Fran­kofonia, izay hatao ny faran’ny volana jona, ny Federa­sio­nina. Mbola eo am-pandinihana kosa izy ireo ny amin’ny fiatrehana ny “Mondial”, hatao ny volana aogositra ho avy izao, any Grèce.

Fitia Randria

Partager sur: