Voasambotry ny fokonolona, namoy ny ainy niharan’ ny fitsaram-bahoaka ary nodorana, omaly hariva, tamin’ ny 05 ora sy 45 minitra, ilay lehilahy namono nahafaty ny rahalahiny sy ny zaza roa, tao amin’ny kaominina Antsatramidola, distrikan’i Mandritsara. Nifampitadiavan’ny mpitandro filaminana sy ny vatan-dehilahy tao an-tanàna nanomboka ny alahady 1 jona teo i Christo. Naharay loharanom-baovao ny fokonolona fa nisitrika tao amin’ny toerana atao hoe Ambatomainty io lehilahy io. Nanaovan’ny mponina be midina. Nosamborin’ izy ireo ilay mpamono olona ka nentiny niakatra ny tanàna. Tsy nisy alaharo, nozeran’izy ireo vato, nodarohany ary novonoiny i Christo. Namoy ny ainy ity farany. Raha atsidika, novonoin’io lehilahy io tamin’ ny fomba miharo habibiana tanteraka ny rahalahiny sy ny zana-drahalahiny miisa roa. Tsy fitovian-kevitra nateraky ny ady lova teo amin’izy mirahalahy no nitarika ny disadisa. Norahonan’i Christo ny rainy. Naka antsibe tampoka izy, ny marain’ny alahady 1 jona teo. Nokapakapainy antsy ny zana-drahalahiny roa lahy 4 taona sy 6 taona. Nilalao tao an-tokotany ireo zaza mirahalahy ireo ary tsy nisy nanampo na inona na inona. Tsy vitan’ io, norasarasain’io lehilahy io antsy koa ny rain’ireo zaza ireo. Namoy ny ainy izy telo mianaka. Tezitra noho ny tranga niseho, namaly faty ny fokonolona ka izao namono ny nahavanon-doza izao.
Tsiferana R.