Beach soccer : resin’i Menabe Atsimo Atsinanana

Nisongadina ny ekipan’i Menabe nandritra ny fifaninanana baolina kitra lalaovina eny amin’ny torapasika (beach soccer) tafiditra ao anaty hetsika “Festival Mazavaloha”. Fifaninanana nanomboka omaly, ary tanterahina any Mahajanga. Nomon­tsanin’izy ireo, tamin’ny isa mavesatra 15 no ho 1, ry zareo avy any Atsimo Atsinanana. Ao anatin’ny tanjany tsara, araka izany, ny mpilalao avy ao Menabe, amin’ity fifaninanana ity. Somary sahirana kosa ny ekipa avy ao Atsimo Atsinanana izay hita fa tsy mbola zatra ity taranja ity. Tsiahivina fa natao hifantenanana ireo mpilalao handrafitra ny Barea ity fihaonana ity. Valo ihany ireo ekipa tonga tamin’ity hetsika ity ka ankoatra an’i Menabe sy Atsimo Atsinanana, eo koa ny avy ao Boeny, mpampiantrano, ny Brickaville FC, ny Tamaga BS, ny FC Bagdad Toamasina, ny FC Kidabo Melaky, ny As V7V. Ankoatra izay, nifarana ny 2 jona teo ny fampiofanana mpanazatra niarahana tamin’ilay frantsay teknisianina avy amin’ny Fifa, i Claude Barrabe. Ity mpampio­fana ity, izay efa nitondra ny Barea Beach ary efa nandrombaka ny “Can 2015”.

F.R

Partager sur: