Tratran’ny mpitandro filaminana ny lehilahy namono nahafaty ny vadiny tao amin’ ny kaominina Anivorano Atsinanana, distrikan’i Brickaville, afakomaly. Efa manana zanaka roa tamin’ny vadiny teo aloha io lehilahy io saingy tsy mbola nifampiteraka izy sy ilay vadiny vaovao. Nangataka vola tamin’ny vadiny vaovao ilay lehilahy, izay nilaza fa marary ny zanany. Tsy nanome vola ramatoa rehefa tezitra tamin’io fitondran-tena ataom-badiny io. Mangataka vola matetika any amin’io vehivavy io ilay rangahy, araka ny loharanom-baovao. Niafara tamin’ ny fifamaliana izany. Nangataka fisarahana avy hatrany ilay vadiny vaovao. Vokany, novonoin’ilay raim-pianakaviana ilay ramatoa. Norasarasainy tamin’ny antsy, tao Ambodimanga-Ambalatelina, ny alatsinainy 26 mey lasa teo. Nitsoaka ny nahavanon-doza taorian’io. Nanao fikarohana ny zandarimaria miasa ao amin’ny tobim-paritra Anivorano Atsinanana. Niray hina ny fokonolona ka nanamora ny fisamborana ny nahavanon-doza.
Tsiferana R.




