Raim-pianakaviana, 51 taona, hita faty tao amin’ny lavapiringa, tany amin’ny tanàna Maritampona, fokontany Amparihitany, kaominina Kiranomena, ny alin’ny 2 jona 2025 lasa teo, tokony ho tamin’ny 10 ora.
Nitondra basy vita gasy iray izy ary voatifitr’izany ka maty tao. Niditra teo ambavafony ny bala ka nitarika ny fahafatesany. Nivoaka namonjy lavapiringa izy tamin’io fotoana voalaza io, raha ny fanazavan’ny vadiny. Tsy naheno ny nivoahany ny trano ilay vadiny satria resin-tory. Ny feom-basy no nanaitra azy tamin’izany. Nivoaka nijery ny manodidina izy taorian’izay ary hitany efa mihohoka ao amin’ny lavapiringa ny vadiny. Taorian’ny fipoahan’ny basy teny an-tanan’ity rangahy maty ity, latsaka tao anaty lavapiringa ilay basy vita gasy nampiasainy. Nomarihin’ny vadiny fa somary nisotro zava-pisotro mahamamo ilay rangahy ny alina.
Naharay antso mahakasika ny tranga tamin’ny sefo fokontany ao Amparihitiny ny zandary avy ao amin’ny Tobim-paritra Kiranomena, afakomaly maraina tamin’ny 3 ora. Nidina ifotony nanao ny fizahana ny razana sy nanadihady ny fisehon’ny loza ny komandin’ny tobim-paritra omaly tamin’ny 05 maraina, taorian’ny antso. Tonga tany an-toerana izy ireo tamin’ny 7 ora maraina ary efa naiditry ny havany tany an-trano ny razana. Nahitana diam-bala iray tamin’ny vatan’ity olona maty ity, niditra teo ambavafony ny bala ka nahafaty azy, raha ny fizahana ny razana.
Tsy nahalala ny fisian’ny basy ny vadiny
Tsy nahalala ny fisian’ny basy tany amin’ny vadiny ilay ramatoa rehefa nohadihadian’ny mpitandro filaminana. Matetika notafihan’ny dahalo ny tokantranon’ireto mpivady ireto taloha ka mety ho antony nahatonga ilay rangahy nividy basy, raha ny fanazavana nataon’ny olona manodidina. Tsy nahazoana alalana ary tsy ara-dalàna ny fitazoman’ity rangahy ity ilay basy, raha ny fanazavana voaray avy amin’ ny zandary any an-toerana. Efa nogiazana eny anivon’ny mpitandro filaminana izany rehefa nosokirina tao anaty lavapiringa. Mbola tsy fantatra mazava raha namono tena na zavatra hafa ny antony nahatonga ilay raim-pianakaviana matin’ny basy teny aminy. Misokatra ny fanadihadiana, izay iandraiketan’ny tobim-paritra Kiranomena. Nahazo baiko hiara-miasa amin’ny fikarohana ny marina kosa ny GAPJ.
Mino