Matory an-tsena noho ny fitadiavana : Renim-pianakaviana hita faty tetsy Mahavoky

Renim-pianakaviana iray, mpivarotra legioma, hita faty omaly, tetsy Mahavoky. Tsy nahitana ratra ny razana, raha voalaza fa maty nisy nanindrona antsy. Mivarotra sy matory an-tsena noho ny halaviran’ny toerana honenany. 

Hita faty manakaiky ny fokontany Mahavoky Be­sarety, omaly maraina tamin’ny 05 ora latsaka fa­hefany, ny renim-pianakaviana iray, 47 taona. Niparitaka ta­min’ny tambajotran-tserasera fa maty nisy nanindrona antsy tetsy Andravohangy io lasibatra io. Tsy nahitana ratra ny va­tany na dia iray aza, nandritra ny fizahana nataon’ny mpitsabo sy ny mpitandro filaminana. Raha ny fantatra, maty noho ny fisotroana zava-pisotro misy alikaola io olona io, raha ny tatitra voaray. Nahita ramatoa nivalampatra teo amin’ny sisin-dalana ny vehivavy handeha hanasa lamba, ny maraina. Niantso ny sefo fo­kontany avy hatrany ity farany taorian’izay. Tonga nijery ny zava-misy sy nanao fanadihadiana teny an-toerana ny polisim-pirenena avy amin’ny CSP3 rehefa nahavoaray antso. Tonga naka ny razana teny an-toerana ny avy amin’ny BMH. Nentina teny amin’ny tranom-paty etsy amin’ny hopitaly CHU-JRA Ampefiloha. 

Matory an-tsena io ramatoa maty io. Monina any Mahi­tsy izy ary mody isan-kerinandro. “Lavitra ny toerana hodiany ka antony mahatonga azy tsy maintsy matory eny an-toerana sady miandry ireo en­tana tsy lafo”, hoy ny fianakaviany. Maka entana amin’ny alina izy ary manomboka mi­varotra amin’ny 3 ora maraina. 

 

Very ny vola mitetina 

400 000 Ariary

Nisy nangalatra ny vola vidin’ny entana lafony nandritra ny herinandro izay mitentina 400 000 Ariary, raha ny fa­nazavana voaray avy amin’ny fianakavian’ny maty. Nisy naka ihany koa ny peratra vo­lamena rehetra sy ny finday ary ny kiraro teny aminy. Ankoatra izay, latsaka tao anaty patalohany ny malotony, nandritra ny fahitana ny razana. 

Mihevitra ireo fianakaviana fa nisy namono na nisy namosavy ny havany, antony nahafaty azy. Efa misy ny olona ahiahin’ny fianakaviana ho nahavita izany hatreto. Hame­traka fitoriana ny havan’ny maty aorian’ny fandevenana amin’ny alahady ho avy izao, raha ny fanazavana voaray hatrany. Misahana ity rahahara ity ny eo anivon’ny sampana heloka bevava Anosy. 

Mino 

Partager sur: