Noraisim-potsiny! Mpangalatra moto iray tratran’ny zandary tao amin’ny fokontany Andombotany, kaominina Ankadikely Ilafy, ny alarobia 4 jona teo, tamin’ny 3 ora sy sasany maraina. Nahatsikaritra tranga hafahafa ny mponina teny an-toerana. Niantso avy hatrany ny zandary. Telo lahy voalaza fa nanosika moto tao anatin’ny haizina, nifanenjehan’ny zandary. Tafaporitsaka ny roa lahy. Voasambotra niaraka tamin’ny moto kosa ny namany. Nanondro ny toerana nangalarany ny moto io tratra io. Mitohy ny fikarohana ireo nandositra. Naverina amin’ny tompony avy hatrany ny moto taorian’ny famotorana. Natolotra ny fampanoavana ka naiditra am-ponja ilay mpandroba. Marihina, manjaka ny halatra sy vaky trano rehefa manakaiky fety tahak’izao. Na an-dRenivohitra na ambanivohitra, miantso hatrany ny fokonolona hanome loharanom-baovao ara-potoana sy mari-pototra ny mpitandro filaminana.
Tsiferana R.