Voasambotry ny zandarimaria ny lehilahy namono nahafaty ny renim-pianakaviana iray tao Befanihy, fokontany Ambatofotsibe, kaominina Kiranomena, omaly. Nitrangana vonoan’olona nahatsiravina tao amin’io tanàna io, ny 2 jona tamin’ny 2 ora maraina. Noratraratrain’ny lehilahy iray teo amin’ny tavany sy ny faritry ny lohany ilay ramatoa 32 taona. Potika tanteraka ny endriky ny lasibatra. Vaky ny lohany. Voakasika hatramin’ny atidohany noho ny daroka mafy nahazo azy. “Nampiasa zava-maranitra ilay nahavanon-doza tamin’ny fotoana namonoany ilay vehivavy taorian’ny fizahan’ny mpitsabo eo anivon’ny CSBII”, araka ny tatitra avy amin’ny zandary misahana ny famotorana. Nifanao fotoana tamin’ny lehilahy iray mponina anatin’ny kaominina ilay lasibatra, talohan’izao habibiana izao. Namany akaiky ihany ilay voalaza fa nifandray taminy. Fatin’ny lasibatra hany sisa hitan’ny fianakaviany raha toa ka nialokaloka tany amin’ny trano fonenany ilay nahina ho namono. Niroso tamin’ny fanaovana fanadihadiana ny mpitandro filaminana. Nanomboka nikaroka ny atidoha nanao io vonoan’olona mahatsiravina io. Sarona tao Amparihimanga, kaomina Kiranomena, ilay lehilahy ahin’ny fianakavian’ny maty ho namono ny havany. Nentina natao famotorona ity farany. Niaiky heloka izy ka nakarina any Tsiroanomandidy hisorohana ny mety hisian’ny fitsaram-bahoaka. Hatolotra ny fampanoavana tsy ho ela ny raharaha. Tsy fantatra mazava ny anton’ny famonoana.
Tsiferana R.