Seminera ho an’ny atleta : 33 mianadahy nahazo fahalalana

Tontosa tany Toamasina nandritra ny roa andro, ny alarobia 4 jona sy ny alakamisy 5 jona lasa teo, ny seminera nasionaly ho an’ny atleta nokarakarain’ny kaomisionin’ny atleta avy eo anivon’ny CNO Ma­da­gasikara. 33 mianadahy no niatrika izany ary notolarana mari-pankasitrahana tamin’ny fiafaran’ny seminera. Nanan-karena fifampizarana traikefa sy fahalalana ity seminera ity noho ireo mpampiofana izay na­nana ny maha izy azy avokoa. Anisan’izany Rakotondra­manana Nathalia, izay sady atleta no olympianina ary izy ihany koa no filohan’ny kaomisionina. Teo ihany koa Ravo­lolo­niaina Vania, izay nizara sy nijoro vavolombelona teo amin’ny hoavin’ny Olympianina sy ny asan’izany atleta izany. Ramanandraivo­nona Elinjara Luc no niandraikitra ny teo amin’ny Team Bulding. Randria­malala Jackie sy Randria­malala Nathalie no niresaka mahakasika ny “dopage”. Domoina Malala teo amin’ny lafiny fitsaboana. Jean Louis no nifampizara ma­hakasika ny “athlète de haut niveau” ary Ratsifan­driha­manana Bako kosa niresaka mahakasika ny “Cours Busi­ness Accelerator”.
Tsiahivina fa efa andiany faha-4 ity seminera nasionaly ho an’ny atleta ity izao, izay eo ambany fiahian’ny Komity olympika malagasy. Tany Toamasina no nanatanterahana ity andiany faha-4 ity ho fanapariahana ny fifampizarana manerana ny Nosy.

Mi.Raz

Partager sur: