Fanendahana sy famakiana trano : Tovolahy fito voasam­botry ny polisy

Tovolahy miisa fito voasambotry ny polisy avy amin’ny kaomisaria foibe Mahajanga tamin’ity herinandro ity. Tratra nanendaka sy namaky trano avokoa izy rehetra ireo. Afako­maly tamin’ny 4 ora maraina, lehilahy telo mpanendaka sarona. Nentina teny anivon’ny biraon’ny kaomisaria izy ireo ary niaiky ny heloka nataony. Tonga nitory teny anivon’ny polisim-pirenena kaomisaria foibe Mahajanga ny olona iray, lasibatry ny fanendahana. Voaendaka teo amin’ny Charle Renelle izy ary naratra mafy vokatry ny daroka sy ny vono nahazo azy. Nidina nanao ny fikarohana sy fanenjehana ireo olon-dratsy nahavanon-doza ny mpitandro filaminana taorian’izay. Tovolahy iray tratra nanendaka teny amin’ny faritra Mahabibo, ny alatsinain’ny pantekoty tamin’ny 10h30 maraina, ary nentina eny anivon’ny biraon’ny polisy avy hatrany. Taorian’izay, tamin’ny 9 ora alina, tovolahy roa tsy ampy taona tratra namaky trano tany amin’ny faritra La Corniche. Voasambotry ny polisy ny iray, raha toa ka tratran’ny fokonolona ny iray hafa. Lehilahy iray hafa koa tratra nanendaka teny amin’ny Bord tamin’ny 10 ora alina. Atolotra ny fitsarana ny raharaha aorian’ny famotorana. Mbola mitohy ny fikarohana ireo namany hafa tafaporitsaka.

Mino

Partager sur: