Tsy mety fay. Efa avy nigadra teny Tsiafahy, mbola nanohy ny asa ratsiny ihany. Nidoboka eny Antanimora indray ity Nizerianina mpanao trafikana rongony “méthamphétamine” ity.
Naiditra am-ponja ny talata 17 janoary teo eny Antanimora indray, ilay teratany nizerianina nahatrarana rongony mahery vaika tetsy Ambohitrimanjaka. Efa mpamerin-keloka ikoizana amin’ny fanaparitahana zava-mahadomelina mahery vaika, nidoboka am-ponja vonjimaika etsy amin’ny fonjan’Antanimora ity teratany nizeriana tra-tehaky ny mpitandro filaminana, ny asabotsy lasa teo ity. Malaza ratsy amin’ny famarotana ny rongony mavesatra “méthamphétamine» ny lehilahy. Naharay loharanom-baovao mahakasika ny tranga ny zandary. Ny andron’ny asabotsy 14 janoary, niroso tamin’ny fidinana ifotony ny mpitandro filaminana. Kinanjo, nirifatra avy hatrany ilay teratany vahiny vantany nahita ireto zandary. Nitsoraka tany anaty reniranon’Andromba izy ka niezaka nanalavitra ireo nanenjika azy. Tsy nilefitra anefa ny mpitandro filaminana raha tsy voasambotra ity afrikanina ity.
Rongony mavesatra 12 grama
Rehefa voasambotra, niroso tamin’ny fisavana azy ny zandary. Nahitana fonosana “méthamphétamine”12 grama tamina fonosana kely niaraka tamin’ny fitaovam-pitsindromana teny amin’ity teratany vahiny ity. Aparitany amin’ireo tanora efa mpidoroka ity rongony mavesatra ity, araka ny nambarany. Tamin’ny alalan’ny famotorana azy, niaiky izy fa efa nigadra teny Tsiafahy noho ny famarotana rongony ihany. Sarona niaraka taminy koa ny sakaizany saingy nahazo fahafahana vonjimaika, taorian’ny famotorana. Tsiahivina, mpanakanto malagasy iray voasambotra tao an-tranony niaraka tamin’ny fitaovam-pidorohana ity karazan-java-mahadomelina mahery vaika ity, ny faran’ny volana desambra teo. Noraisim-potsiny niaraka tamin’ ny namany sy nahatrarana santionany tamin’io “méthamphétamine” io koa.
Olona dimy indray tratra…
Ankoatra io nizerianina io, olona dimy hafa koa voasambotry ny mpitandro filaminana avy ao Anosy, ny faran’ny herinandro teo. Vao nivoaka ny fonja ny iray amin’ireto mpanao trafikana héroïne ireto ka vehivavy ny iray. Voarohirohy ho mpanao trafika sady midoroka zava-mahadomelina mahery vaika (héroine). Raha ny tatitra voaray avy amin’ny polisy, ny roa amin’izy ireo voasambotra teny amin’ny faritra IVO. Ny 16 janoary teo, fantatry ny polisy ny fisian’ireo olona mivarotra sy mamatsy zava-mahadomelina mahery vaika eny amin’iny faritra Antohomadinika iny. Tsy niandry ela ny polisy fa nidina teny an-toerana avy hatrany nanamarina sy nijery ny zava-misy momba ity raharaha ity. Lehilahy iray sy vehivavy iray no hita tao an-trano tamin’io fotoana io. Mbola nahatrarana heroine 2,30 g tao amin’izy ireo nandritra ny fisavana nataon’ny polisy.
Sady mitsindrona no mivarotra
Nandritra ny fanadihadiana azy ireo no nahafantarana fa sady mitsindrona izy ireo no mivarotra heroïne. Tsy vitan’izay fa mifoka ihany koa izy ireo. Nohamafisin’ny polisy fa efa mpamerin-keloka amin’ny resaka héroïne ny lehilahy iray amin’ireo tratra ireo. Vao nivoaka ny fonja ny volana novambra 2022 lasa teo izy. Ny telo kosa tratra teny Ambohidahy Ankadindramamy, ny telo hafa naman’ izy ireo niaraka tamin’ny héroine. Nahazo loharanom-baovao indray ny polisy, afakomaly fa eny Ankadindramamy eny no misy ireto olona telo ireto. Nanao fitsirihana avy hatrany ny polisy ka olona telo no tratra teo am-pifohana heroine. Hita teny amin’izy ireo ny heroïne 2,70 g nandritra ny fisavan’ny polisy. Nilaza izy ireo fa mahalany iray fonosana isan’andro rehefa mitsindrona.
Jean Claude/
Tsiferana R.