famaranana ny Cosafa 2025 : Hiady ny tapakila i Angola sy i Madagasikara

Hifantoka any Afrika Atsimo ny sain’ny Malagasy mpankafy baolina kitra. Hiakatra an-tsehatra anio indray ny Barea de Madagascar, hiatrika ny manasa-dalana izy ireo.

Hotanterahina anio, ao Afrika Atsimo, ny lalao manasa-dalan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika aty amin’ny faritra Atsi­mo, “Cosafa 2025”. Anisan’ny fifanandrinana andrasan’ny maro amin’izany ny fihaonan’ny Barea de Madagascar sy i Angola. Tsiahivina fa ny angolais no laharana voalohany ao amin’ny vondrona B, ary nahita fandresena roa sy ady sahala iray, tany amin’ny fifanintsanana isam-bondrona.
Ny ekipa nasionaly malagasy kosa, nahita fandresena iray sy ady sahala iray tamin’ireo lalao roa nataony. Araka ny vaovao voaray any an-toerana, efa niatrika ny fanazarantena ny Malagasy mpilalao ary vonona ny hanome ny zato isan-jato avy aminy izy ireo ny handresy ny angolais. Ny taona 2023, nandritra ny ady tapakilan’ny “Can 2024” no nifandona farany tamin’i Angola, ny Barea. Nisaraka ady sahala 0 no ho 0 ny roa tonta tamin’izany.
Ankoatra izay, mifandona amin’ny ekipa mpampiantrano, Afrika Atsimo, ny Nosy rahavavy Comores.
“ Amiko manokana, ny fahaizana miara-milalao ihany no fomba hahafahana mitady vokatra tsara amin’io lalao io. Tsara ny mampahatsiahy fa ekipa nahatafiditra baolina betsaka indrindra tamin’ity fifaninanana ity i Angola, nampiditra baolina enina izy ireo, tamin’ny fihaonana telo vitany”, hoy Razafimamonjy Fe­nosoa, mpamakafaka baolina kitra. Ny taona 2023, niatrika ny manasa-dalana voalohany “Cosafa” i Madagasikara, ary tamin’ity taona ity ny faharoa.

Fitia Randria

Partager sur: