Hotanterahina ny 22 jona izao, eny amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina, ny “Chapitre V” amin’ny fifaninanana “Combat Avenir”, taranja Kick-boxing. Fifaninanana karakarain’ny Lion Force izay efa ahafantarana azy hatramin’izay. Tanjona ny hanome lanja ny taninketsa amin’ny maha “Avenir” ny fifaninanana, kanefa hisy ihany koa ny fandraisana anjaran’ny ekipa nasionaly mandritra io fotoana io, araka ny nambaran’ny filoha mpanorina ny Lion Force, i Boto Gilbert, nandritra ny fampahafantarana ny hetsika, ny herinandro lasa teo. Mahakasika ny fifaninanana, manodidina ny 50 eo ny isan’ny ady hitranga amin’io faha-22 jona io ary hahita tsara ireo mpikatroka ny mpijery mandritra izany.
Nanambara ny mpikarakara fa mifampiresaka tsara amin’ ny Federasionina malagasin’ny Kick-boxing izy ireo, amin’ny fikarakarana fifaninanana toy izao ary miahy izany hatrany ny federasionina.
Marihina fa ray mpiahy ity fifaninanana ity ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny jeneraly Ravalomanana Richard, izay naneho ny fanohanana tanteraka. Tsy amin’izao “Combat Avenir” izao ihany fa indrindra koa ireo fifaninanana iraisam-pirenena miandry ny klioban’ny Lion Force. Anisan’izany ny Xtrême Combat iraisam-pirenena izay hatao eto Madagasikara, ny volana septambra izao. Firenena maro no handray anjara amin’izany, toa an’i Algerie, Frantsa, Afrika Atsimo, La Réunion, Mayotte ary Maorisy.
Mi.Raz