Raha tsy misy ny fiovana, hatao amin’ny volana aogositra ny fifaninanam-pirenena amin’ny taranja tenisy. Fihaonana karakarain’ny Federasionina malagasin’ny tenisy (FMT). Hampiantrano izany ny ligin’Antananarivo. Hizara roa miavaka tsara ity fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara ity. Hisantatra izany ny sokajy Junior sy ny Vétérans. Hatao ny 6 ka hatramin’ny 10 aogositra izany. Ny 11 ka hatramin’ny 16 aogositra kosa ny an’ny sokajy rehetra.
Hanana ny lanjany lehibe ity fihaonana ity satria ankoatra ny fiadiana ny ho tompondaka, hakana isa ho an’ny filaharan’ny mpilalao tsirairay koa. Tsy mitovy fa samy manana ny fetrisany ny ligy isanisany amin’ity fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara ity. Ny vokatra azo tamin’ny taon-dasa no masontsivana amin’izany.
Ankoatra izay, fantatra fa efa nankatoavin’ny Federasionina iraisam-pirenena (ITF), ny fandraisan’i Madagasikara ny “Tournoi J30” miisa roa ao anatin’ny “Circuit mondial” sokajy Junior. Fihaonana hatao eto Antananarivo, ny volana septambra ka hatramin’ ny oktobra 2025.
Ny dingana voalohany hotontosaina ny 30 septambra ka hatramin’ny 4 oktobra. Ny faharoa, ny 7 ka hatramin’ny 11 oktobra ho avy izao. Handrasana, araka izany, ny fiavian’ireo mpilalao maneran-tany, hifaninanana amin’ireo mpilalao malagasy.
Tompondaka