SOMBIM-BAOVAO

Mbola lany fanindroany ho filoha lefitry ny Federasionina iraisam-pirenena, taranja judo indray, Randrianasoloniaiko Siteny. Fifidianana notanterahina tany Budapest, ny alarobia lasa teo, nandritra ny “Congrès ordinaire ” teo anivon’ny IJF. Niatrika izany ihany koa ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny judo, i Said Eric Bruno.

Hotanterahina ny 12 hatramin’ny 20 jolay izao, eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny “Jamboree National Mini basket”. Hetsika efa fanaon’ny eo anivon’ny Kaomisionin’ny minibasket eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny basikety ary ahitana lalao eo amin’ny sokajy U12 sy U10.

Tafiditra anatin’ireo mpilalao 11 mendrika indrindra, na « onze type »,  fifaninanana « Cosafa 2025”, taranja baolina kitra, i Mamisoa. Tsiahivina fa ity Malagasy mpilalao ity, efa voahosotra ho mpilalao mendrika nandritra ny fifanandrinan’ny Barea de Madagascar sy i Tanzania.

Araka ny fikarohana natao, natolotra omaly, tao amin’ny klioban’ny Real Madrid, ny mpilalao vaovaon’izy ireo, Trent Alexander Arnold. Mitondra ny laharana faha-12 moa ny tenany, ary efa nilaza sahady izy fa efa nofiny hatramin’ny ela ny hilalao ao amin’ity klioba espaniola ity.

Partager sur: