Fikambanam-pinoana katolika : Notolorana mari-boninahitra ireo nahavita be tamin’ny Antilin’i Madagasikara

Anisan’ireo miara-miasa sy manampy ny eny anivon’ny fiarahamonina ny skoto, anisan’izany ny Antily eto Mada­gasikara. Nomena mari-boninahitra ireo nahavita be tamin’ny fikambanana.

Feno zato taona ny 23 marsa, ny taona 2023 teo ny fikambanan’ny skotisma zazalahy izay antsoina hoe Antilin’i Madagasi­kara. Ity farany izay saika ahitana azy avokoa ny diosezy manerana ny Nosy. Raha ny eto Toa­masina, misy fikambanan’ ny skotisma zazalahy ny paroa­sy rehetra hatramin’ny zana-piangonana. Ny alahady 4 mey lasa teo, nankalaza ny faha-70 taona nijoroany ny Antily ao amin’ny Ekar Fo Masin’i Jesoa Tanambao faha­dimy. Ny 18 mey teo kosa no nankalaza ny faha-65 taonany ny Antily etsy amin’ny Ekar Masimbavy Thérèse Sa­la­zamay. Mbola samy anatin’ny fikarakarana sy fankalazana ny taon-jobily avokoa ny isam-piangonana.
Hanehoana izany fa ny Antilin’i Madagasikara dia mbola mijoro sy manao ny asa fitaizana ankizy sy zatovo lahy amin’ny alalan’ny fomba skotisma ary manaraka ny rafitra ara-piangonana sy iraisam-pirenena.
Ny antily zokiny

Rafitra iray vao nijoro fa­ra­ny teo anivon’ity fikambanana ity ny Antily zokiny. Hi­vondro­nan’ireo efa nahazo taona, lahy sy vavy, izany. Vita velirano ary efa nandray andraikitra maro isan-kara­zany teo aloha moa izy ireo. Feno 12 taona ny nahazo­an’ity rafitra ity ny fan­ka­to­avan’ny Fivon­dro­namben’ ny Eveka eto Ma­dagasikara, ny taona 2013. Taorian’ny fivoriamben’ny Anti­ly natao tao Antsirabe, ny taona 2005, efa nampijoro an’izany tao Toama­sina ny filoha Sabotsy José, izay azo lazaina ho mpanorina ny Antily zokiny talohan’Anta­na­­na­rivo.
Tao Toamasina no niainga ny fanamiana fotsy ambony, ho mariky ny fahadiovana raha miloko manga tanora kosa ny fehitenda ho lokon’i Masina Maria. Niova izany taty aoriana ka niverina tamin’ny fanamiana kaki sy fehitenda mavo Vatican ary niova farany ny fehitenda, miloko fo­tsy maintso sy mavo Vati­can mba hilazana ny lokon’ny firenena malagasy sy ny foibe iraisam-pirenen’ny finoana katolika. Ny mpikambana iray tao Toamasina no namorona azy.
Raha tsorina, anisan’ny mikaroka hevitra amin’ny ha­natsarana ny fomba fitaizana sy fikatrohana eo anivon’ny fikambanan’ny skotisma katolika zazalahy ireo efa nahazo taona teo anivon’ity fikambanam-pinoana katolika ity. Be­tsa­ka, noho izany, ireo nahavita be teo amin’ny asa fanompoana ho an’ny rafi-piarahamonina, ny firenena sy ny ta­nindrazana ary ny fiangonana.

50 taona no mihoatra

Ny 25 mey lasa teo, nisy ny fotoam-pivavahana lehibe notarihin’ny pretra Tsiahoana Stephan, izay misahana sy miahy manokana ny fikambanan’ny skoto eo anivon’ny  diosezin’ i Toamasina. Notro­nin’ ny pretra tomponandraikitry ny Ekar Notre Damme de Lour­des Anjoma, ary ireo olom-panjakana sy ekipa avy amin’ny foiben’ny Antilin’ i Ma­daga­sikara izany. Tao Anta­na­nari­vo no nentina namaranana ny fankalazana ny faha-100 taona ka nanolorana ireo me­daly sy mari-boninahitra ho an’ izay nahavita be teo amin’ny fiainana skotisma.
Miisa enina mirahalahy no nahazo ny Grand Croix, avy amin’ny foiben’ny Antily. Efa­tra kosa notolorana Officier na « Pro-Déo- Officier », avy amin’ny Ekar foibe. Teto dia samy nisitrahan’ny filoha Sabotsy José izy roa ireo. Miisa telo kosa notolorana Mérite Antily sy Ben Mérite, raha miisa 29 notolorana ny Centenaire.

Tontolo iainana

Anisan’ny mampiavaka ny filoha Sabotsy José ny fitarihany ny fikambanana izay entiny ho mpiaro ny totolo iainana amin’iny faritra Atsina­nana iny. Ankoatra ny fanaovana asa soa anivon’ny fiarahamonina sy ny fiangonana, ny taona 2010, ny Antily zokiny no nitarika ny fambolen-kazom-paritra natao tao Ivoloina. Tsy izay ihany fa ny taona 2021 koa, nandray anjara tamin’ny fa­nadihadiana ny rafi-pifandraisan’ ny fomban-drazana Antam­bahoaka, ny “Sambatra”, izy.
Sehatra iray ahafahana mitory ny vaovao mahafaly ity fankalazana ity, izay efa fanao isaky ny fito taona, na ny “taonjoma”. Izany rahateo no nahatonga ny fikambanan’ny Antily zokiny eto Madagasikara nampifanindran-dalana ny fikarohana skotisma, sy ny fomban-drazana ary ny fitaizana eo anivon’ny skotisma katolika. Hatao fomba maharitra eo amin’ny rafi-piarahamonina ny fotom-pisainana entin’ny “Sambatra”.
Vokany, sambany teto Madagasikara no nisian’ny fanolorana medaly avolenta tahaka ireo voalaza etsy ambony ireo, ho an’ny fikambanana skotisma zazalahy anivon’ny Ekar. Hisarihan’ny mpitarika anivon’ny antily zokiny hatrany ireo mpikambana ny hananana faharetana sy finoana ary fitiavana rehefa manao zavatra iray. “Ny adidy tsy an’olon-dratsy ny skotisma tsy natao handramana” tenin’ny filoha Sabotsy José, rehefa miatrika vondrona zatovo lahy sy vavy izany matetika.
Raha tsorina, 52 taona teo anivon’ny Skotisma malagasy ka ny roa taona voalohany tao amin’ny kiadin’i Madagasikara, ny 50 kosa teo amin’ny Antilin’ i Madagasikara ny filoha Sabotsy José.

Nanatontosa : Sajo

Partager sur: