Lavon’ny balan’ny zandary avy ao amin’ny Poste Fixe Ambohitoaka, Ambalavy, omaly maraina tamin’ny 3 ora, ny dahalo raindahiny, fantatra amin’ny anarana hoe : Sababaka. Tratra tao amin’ny tanàna iray tsy lavitra an’i Bekitoto, kaominina Ambohitoaka, izy. Nahazo loharanom-baovao avy amin’ny olona tsara sitrapo ny zandary fa misy dahalo mampihorohoro ny mponina any an-toerana. Nanao ny paikady sy ny fikarohana avy hatrany izy ireo taorian’izay. Nidina ifotony ka izao nifanehitra tamin’ity olon-dratsy izao. Nitsoaka ilay olon-dratsy vantany vao nahita ny mpitandro filaminana. Raikitra ny fifanjevoana sy fifanenjehana teo amin’ny roa tonta. Tsy nanaiky nijanona sy nosamborina ilay dahalo. Nitifitra ireo zandary ka nahalavo azy. Raha ny fantatra, anisan’ny dahalo mpampihorohoro vahoaka sy ikoizana amin’ny fanaovana asa fanafihana izy io, raha ny angom-baovao voaray. Ankoatra izay, malaza amin’ny fanakanana fiara amin’ny lalam-pirenena fahenina iny ihany koa izy.
Tafiditra ao anatin’ny hetsika fampandriana fahalemana ataon’ny zandary any an-toerana izao mitranga izao. Miantso ny fiaraha-miasa eo amin’ny vahoaka sy ny mpiray Dina hatrany moa ny kaomandin’ny vondron-tobim-pileovana Sofia, ny kolonely Hajatiana Ralaikoto. Tanjona ny hahazoana vokatra tsara amin’ny fanatrarana ireo olon-dratsy rehetra any an-toerana.
Mino