Traktera nahafaty olona : Matin’ny fitsaram-bahoaka ny mpamily mpanampy

Ain’olona miisa roa indray nafoy nandritra ny lozam-pifamoivoizana niafara tamin’ny fitsaram-bahoaka tao Ambo­divoanjo, kaominina ambanivohitra Tsarajomoka, distrikan’ i Mandritsara, afakomaly. Ni­tatitra vokatra avy any ambanivohitra ny traktera iray. Ni­fanena tamin’ny mpanadalo. Voafaokan’ilay traktera tampoka ity farany. Notetezin’ny kodiarana aoriana ka namoy ny ainy. Tsy nijanona anefa ny mpamily io fitaovam-pitate­rana io fa nanohy ny diany. Nifanenjehan’ny fokonolona izy sy ny mpamily mpanampy ary ny mpibata entana nitaingina ny fiara. Naratra mafy vo­katry ny daroka sy vono nahazo azy ny mpamily mpanampy. Tsy tana ny ainy noho ny faha­verezan-dra be loatra. Nie­zaka niaro tena saingy tratra ny be no ho vitsy izy telo lahy. Vokany, naratra ihany koa ny mpamily ilay traktera sy ny mpibata entana. Nidina ifotony nijery ny zava-nisy ny tomponandraikitry ny filaminana ao amin’ny distrikan’i Mandri­tsara. Niverina amin’ny lao­nina ny fandriampahalemana. Manaraka fitsaboana ireo naratra niharan’ny fitsaram-bahoaka. Natolotra ny fianakaviany ny vatana mangatsiakan’ireo roa namoy ny ainy.

Manjaka ny fitsaram-bahoaka
Mampihatra ny fitsaram-bahoaka avy hatrany ireo fokonolona ao amin’ny distrikan’i Mandritsara rehefa misy tranga tsy eken’ny sain’izy ireo, tato ho ato. Olona roa tao anatin’ny tapa-bolana namoy ny ainy. Ankoatra io mpamily mpanampy tratran’izy ireo tao Ambodivoanio io, maty nodarohana sy nodorana koa ilay lehilahy namono ny rahalahiny tao Mahambolona, ny 3 jona lasa teo. Mampahatsiahy ny fokonolona eny ifotony ny mpitandro filaminana fa voararan’ny lalàna ny fampiharana ny fitsaram-bahoaka ary ma­havoasazy.

Tsiferana R.

Partager sur: