Olona telo hatolotra ny fampanoavana : Lehilahy notrobatrobarana tamin’ny zava-maranitra

Maty novonoin’ny mpiray tanàna taminy ny raim-pianakaviana iray, tamin’ny alarobia teo. Olona telo voasambotry ny zandary. Hiakatra fampanoavana anio ireto ahina ho tompon’antoka.

Hatolotra ny fampanoavana anio, ireo telo mianadahy voasaringotra tamin’ny vonoan’olona tao amin’ny fokontany Tsaraho­nenana, kaominina Alakamisy Anosiala, distrikan’Ambo­hi­dratrimo. Voatsatoka vy maranitra teo amin’ny tratrany sy ny tendany ny raim-pianakaviana iray monina ao Antane­tibe, ny alarobia 11 jona alina. Voalazan’ny mpanao fanadihadiana fa hitsena ny vadiny no nivoahany ny trano. Mia­loha izay, mbola nividy trondro sira ataony laoka hariva izy.
”Lonilony teo amin’ny mpiara-monina no nitarika ny famonoana”, hoy ny fanaza­van’ny zandary, kaomandin’ny zana-tobim-paritra Alakamisy Ambohidratrimo. ”Notrobatro­b­a­ran’ny tsy mataho-tody vy lava teo amin’ny tendany sy ny faritry ny fony ilay lehilahy. Nandriaka ny ra ka tsy tana ny ainy minitra vitsy taorian’ny habibiana. Mbola niparitaka tamin’ny arabe sy ny toerana namonoana azy ny trondro saika hatao laoka”, hoy ha­trany ny zandary.

Mpivady sy lehilahy voasambotra
Nidina ifotony nijery ny zava-nisy ny mpitandro filaminana. Nosamborina ny lehilahy iray tratra teo amin’ny toerana nitrangan’ny famonoana ta­min’io fotoana io sy ny mpi­vady ahina ho tompon’antoka tamin’izany. Nahenoana fofona alikaola ilay lehilahy namoy ny ainy. ”Mbola nahavita na­nonona ny anaran’ny olona namono azy izy tamin’io fo­toana io” hoy ny nambaran’ny mponina eny an-toerana. Nen­tina natao famotorana eny anivon’ny biraon’ny zandary, ao amin’ny kaomandin’ny tobim-paritra Ambohidratrimo, ireo olona telo voasaringotra. An­drasana ny tohin’ny fanadihadiana. Efa nentin’ny fianakaviany namonjy ny tanindrazany, any Antsirabe, ny razana.

Tsiferana R.

Partager sur: