Tsipy kanetibe: « Traikefa, fitiavana, fikirizana, fitsipika no hahombiazana », hoy ireo efa tompondaka maneran-tany

Taranja manavanana ny Malagasy ny tsipy kanetibe. Efa fanta-daza maneran-tany i Madagasikara, noho ny zava-bitan’ireo mpilalao. «Ilaina fitiavana sy fikirizana izany», hoy ny ampahany amin’ireo efa tompondaka maneran-tany nanaovana fanadihadiana.

- Randrianandrasana Jean Jacky, anisan’ireo Malagasy mpilalao tsipy kanetibe nandrombaka voalohany ny anarana ma­ha tompondaka maneran-tany ho an’olon-telo, niaraka tamin’ Andriantseheno Christian (Racle) sy i Kailas. Fihaonana natao tatsy La Réunion, tamin’ny taona 1999 ka nandresen’izy ireo an’i Bélgique teo amin’ny famaranana, tamin’ny isa 13 no ho 3. «An­kehitriny, miroborobo ary mandroso sy mitombo ny vokatra saingy ny fifaninanana teo aloha no mafy noho ny hamaroan’ireo mpandray anjara. Ankehitriny nihena. Asa, noho ny fisian’ilay «covid» sy ilay sazy telo taona lasa angamba. Amin’izao indray vao miverina mihamaro», hoy izy. Nampiavaka an’i Jean ny niarahany tamin’ny atao hoe : «Patron» tao anaty ekipa. «Ny zava-dehibe dia tsy ny hoe fisian’ny Patron fa ilay firaisan-tsaina sy fifampitokisana. Olona tena niady koa matoa mahazo ny tompondaka maneran-tany fa tsy hoe Patron dia handresy. Tsy vitan’ny olona roa fotsiny io fa ny ady ataon’ny mpilalao telo no mitondra any amin’ny fandresena. Tsy mora ny maka izany titre mondial izany».

- Andrianiaina Christian (Nanou), tompondaka maneran-tany 2016, natao teto Madagasikara. Tsy nanafina izy fa raha fahaizana sy tanana, tena misy amin’ireo tanora ankehitriny fa ny tsy fahampian’ny traikefa entina miatrika fifaninanana no tsy ampy amin-dry zalahy. Ankoatra izay, ny tsy fahazarana miatrika fifaninanana iraisam-pirenena. Aminy, tsy mbola tanjona ny fahazoana anaram-boninahitra fa dingana ihany. «Hiankina amin’ny ezaka ny hiverenana indray hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany. Raha hita fa mbola mahavita, vonona hatrany. Fa raha ny mifanohitra kosa, tsofina rano ireo zandrikely handimby mba hahavita mihoatra lavitra amin’ny vokatra nataonay sy ireo zokibe teo aloha», hoy i Nanou. Na izany aza, tsy mbola mieritreritra ny hiala ao anatin’ny tontolon’ny tsipy kanetibe izy fa manam-paniriana ny ho mpanazatra, hizara izay zavatra azo sy ny traikefa voarainy ho an’ireo taninketsa sy ny taranaka.

 

- Randriambahiny Francine (Cicine), hany Malagasy vehivavy mpilalao tokana nandrombaka ny ho tompondaka maneran-tany teo amin’ny «tir de précision», ny taona 2011, tany Turquie. 35 taona nanaovana tsipy kanetibe. Tao anatin’izany, betsaka ny zavatra hitany sy niainany ka nahazoany karazana traikefa na teto an-toerana na tany ivelany. Izany no fototra niaingana ka nahazoana ilay tanjona ho tompondaka maneran-tany. Aminy, ilain’ny mpilalao te ho lasa lavitra ny fandraisana anjara matetika amin’ireo fihaonana isan-karazany ivelan’i Madagasikara. «Zava-dehibe ny fifandonana amin’ireo mpilalao isan-tsokajiny. Iny ilay traikefa hahafahana manitsy izay tsy mety fa tsy hiandry mpanazatra hatrany», hoy izy. Nomarihiny fa tsy manambany na manao tsinontsinona ireo fifaninanana eto an-toerana fa hafa mihitsy ilay mihaona amin’ny mpifaninana tsy mbola fahitanao. Hafany ho an’ireo mpilalao ankehitriny, manàna fikirizana, fitiavana, fandavan-tena, fitsipika amin’izay rehetra atao dia tsy ho sarotra ny ho tompondaka maneran-tany.

 

 

Partager sur: