Matetika rehefa manao zavatra ny federasionina na ny ligy, eny hatramin’ny seksiona aza, toa tsy mijery lalana hany ka toa manao soro-baton’ilay jamba, voa vao mihilana. Ny jamba rehefa mandeha, tsy mahita izay eo anoloany, rehefa midona amin-javatra vao mahalala mivily. Raisina ho toy izany ny zava-misy amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena eo amin’ny taranja rugby, noraisin’i Madagasikara, ny herinandro lasa teo. Nampiaka-peo ny filohan’ny Malagasy Rugby, fa mila miova ny toe-tsain’ny mpilalao. Manao soro-baton’ilay jamba ê, voa vao mihilana.
Tokony ho nojerena ambony, nozahana ambany, ny pitsopitsony rehetra mialoha ny hiantsoana mpilalao hisalotra ny akanjoban’ny ekipam-pirenena. Tsy klioba intsony mantsy no arovana fa i Madagasikara. Tsy ny fahaizana baolina ihany no takina amin’izany mpilalaon’ny ekipa nasionaly izany fa eo koa ny toe-tsaina, ny fari-pahaizana ny fahaiza-miaina sy ny maro tsy tambo isaina. Manao soro-baton’ilay jamba, voa vao mihilana. Efa fanaon’ireo ekipam-pirenena any ivelany izany.
Mampihoron-koditra ny maheno fa misy mpilalao tsy mifanolotra baolina eny ambony kianja nefa ao anaty ekipa iray. Rehefa resy ny ekipa vao mivoaka avokoa izao ampamoaka rehetra izao. Manao soro-baton’ilay jamba, voa vao mihilana. Toa nahitan’ny olona zavatra mampivarahontsana ihany koa, nandritra iny lalao iraisam-pirenena iny, satria misy mpilalao mitrotro zaza hono ary mbola mampinono nefa misalotra ny akanjon’ny ekipam-pirenena. Tsy haiko aloha, hoy ilay tsy mahalala fa aza atao soro-baton’ilay jamba e, voa vao mihilana. Raha lesoka no tenenina, mahay mitsapa ny azy ny petak’ orona.
Tompondaka