Tanora miisa 12 no maty vokatry ny fahapoizinana ara-tsakafo ny alin’ny sabotsy lasa teo, teny Ambohimangakely. Mbola misy 13 mianadahy anaty fahasarotana hatramin’ny fotoana nanoratanay.
Araka ny vaovao navoakan’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina halina, 12 no namoy ny ainy tamin’ilay fahapoizinana ara-tsakafo teny Ambohimangakely, ny alin’ny sabotsy. Maty tao amin’ny CHU-JRA Ampefiloha ny sivy, iray maty teny amin’ny Hopitaly Miaramila, ny iray teny amin’ny hopitaly tsy miankina, ary ny iray teny Andohatapenaka. “Mbola misy 13 mianadahy miady aina noho ny fahasarotana. 21 kosa tsy dia misy atahorana”, hoy ny tatitra. Manamafy izay ny fanambarana nataon’ny solombavambahoaka, Gascar Fenosoa, “Mbola nisy ny namoy ny ainy tany anivon’ny hopitaly hafa. Toy ny CHU Andohatapenaka sy ny teny amin’ny hopitaly Soavinandriana ary ny polyclinique”, hoy ny nambaran’ity solombavambahoaka ity. “Marihina fa niisa 43 ny marary noraisin’ny HJRA”, hoy kosa ny Tale teknika lefitra eo anivon’ny hopitaly, Rakotonaivo Mamisoa Judicaël.
Fanapoizinana
Manoloana ny zava-nitranga dia manahy ho fanapoizinana fa tsy fahapoizinana tamin’ny sakafo ny fianakavian’ ny maty nanaovana fanadihadiana teny amin’ny HJRA, omaly. Tena nampiahiahy azy ireo ny fisehon’ny aretina: marary loha sy fanina, ary sempotra tsy avy miaina eny am-piadohana. Mivadika ho mibadabada tsy mahay miteny avy eo, mihajamba tsikelikely ary miafara amin’ny fahafatesana izany.
Efa nitondra sakafo
Raha ny filazan’ilay tompon’ny toerana nanaovana ny fety dia efa nitondra sakafo avy any ivelany ireto mpanofa nifanaraka taminy. Lasary sy “hors-d’oeuvre” ary masikita sisa nokarakaraina teny an-toerana. Voalaza fa mpanao sakafo hitan’ny tompom-pety tamin’ny tambajotran-tserasera no niandraikitra izany.
Efa nidina teny ifotony nanangona ny sakafo tsy lany tamin’ny fety ny tomponandraikitra, omaly. Taorian’ny voina dia nakatona avy hatrany koa ilay toerana fanaovana lanonana, satria voamarina fa tsy manana fahazoan-dalàna. Misokatra ny famotorana!
Mino