Lomano – Tompondakan’i Frantsa: Mifaninana any Montpellier i Eliot

Nanomboka ny 14 jona lasa teo ary hitohy hatramin’ny 19 jona izao ny fiadiana ny tompondakan’i Frantsa taranja lomano, tontosaina ao amin’ny dobo filomanosana Olympique Angelotti ao Montpellier. Toy ny efa fanao isan-taona, mandray anjara amin’ity fifaninanana ity ny Malagasy mpilomano milaravinahitra any Frantsa, Rakotondramanga Eliot. Efa niditra an-tsehatra teo amin’ny sokajy 50 m “papillon” sy 100 m “Dos” ny tenany ny faran’ny herinandro teo. Teo amin’ny sokajy 100 m “Nage libre” kosa no nifaninanany omaly, izay tsy mbola voaray ny vokatra. Ho amin’ny anio kosa, haka aina izy, ary rahampitso indray vao hifaninana eo amin’ny 50 m “Nage libre”. 100 m “Nage libre”, ho an’ny alakamisy. Marihina fa ao amin’ny klioban’ny Villejuif ao Montpellier no misy an-dRakotondramanga Eliot. Ao amin’ny klioban’ny AS Saint Michel kosa izy no mifaninana rehefa eto an-tanindrazana. Nandray anjara tamin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara hatrany i Eliot, tao anatin’ny taom-pikatrohana indroa nisesy ary nahazo medaly volamena 5 be izao, tamin’ny fifaninanana farany natao tany Toamasina. Manantena ny hahazo vokatra tsara izy amin’ity fiadiana ny tompondakan’i Frantsa ity.

Mi.Raz

Partager sur: