Nanatanteraka hetsika fanomezana diplaoma ho an’ny taranja taekwondo WT, tetsy Mahamasina, ny zoma lasa teo, ny Federasionina malagasin’ny taekwondo (FMTKD). Araka ny fanadihadiana natao, efa nisy ny fanolorana ny birao vaovao teny an-toerana, ary fantatra taorian’io fa voatendry ho tomponandraikitra lefitra hitantana ny FMTKD, Rakotomanana Franck Tiana, filohan’ny federasionina teo aloha, izay voatery naato noho ny tsy fankatoavan’ny Com azy. Ankoatra izay, mitantana ny lafiny teknika kosa i Dimbiheriniaina Pharlin. Ankoatra izay, notolorana ny ambaratonga, « 3 ème dan », Kukkiwon, ny filohan’ny FMTKD, Lamina Boto Tsara Dia. Notsiahivin’ny lehiben’ny taekwondo malagasy, fa efa niatrika ny fanadinana izy ny taona lasa teo. Raha ny fandaharan’ny Federasionina, hiatrika lalao fitsapana ho an’ireo sokajy Cadet, Junior, ny 28 jona ho avy izao, eny Nanisana, raha tsy misy ny fiovana. Hotontosaina ny faran’ny volana oktobra ho avy izao, any Antsirabe, kosa ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara. Maro ny hetsika iraisam-pirenena handraisan’ny FMTKD anjara mandritra ity fitantanan’i Boto Lamina Tsara Dia ity.
F.R