Araka ny vaovao miparitaka ao anaty tambajotran-tserasera, omaly, nodimandry Rasoanaivo Kael, zanak’i Titi Rasoanaivo, Malagasy mpanazatra efa nitondra ny ekipan’ny CFFA Andoharanofotsy sy ny Barea teo aloha. Izahay eto amin’ny Gazety Taratra dia mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviana.
Hotontosaina ao amin’ny Kianja mitafo Arena Sport sy ao amin’ny Kianja mitafo Soavita ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja basikety, sokajy U16, lahy sy vavy, araka ny fampitam-baovao avy eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny basikety. Efa azo ny fahazoan-dalana hampiasa ny Complexe Arena Sport, raha ny fanazavana.
Niala tsy ho ao anatin’ny “Draft NBA” intsony ilay Malagasy mpilalao basikety Mathias M’Madi, araka ny fanambarana nataony tao amin’ny tambajotran-tserasera, ny faran’ny herinandro teo. Noho ny ratra nahazo azy niaraka tamin’ny Cleveland Cavaliers no anton’izao fanapahan-keviny izao, raha ny fanazavany.
Niraraka toy ny ranomandry ny baolina maty, afakomaly, tany Etazonia. Nomontsanin’ny FC Bayern Munchen, tamin’ny isa mavesatra 10 no ho 0 ny Auckland City FC, avy any Nouvelle Zélande. Zara raha nahita fanafihana moa ny Neo zelandey tamin’ity fifanandrinana ity, ary toy ny manao fanazaran-tena ny Bayern de Munich.