Tsy fandriampahalemana : Lehilahy matin’ny fitsaram-bahoaka

Lehilahy iray matin’ny fitsaram-bahoaka, tao Barikadimy ny alin’ny alatsinainy 16 jona hifoha talata teo. Sarona nangalatra tao amin’ny fokontany manamorona ny Campus ny mpianatry ny Oniversiten’ i Barikadimy izy. Niezaka nifampiantso ny fokonolona tao Ambalamanasy ary nitari-dositra niditra ny Campus ity jiolahy ity. Nifanehatra tamin’ny mpianatra izy ary voasambotra. Tsy nisy ny alaharo fa nidaroka sy namono ireo vatan-dehilahy. Nanamparan’izy ireo fitsaram-bahoaka io mpangalatra io ka namoy ny ainy. Raha hiverenana, nitrangana vaky trano miisa enina nandritra ny alina tao Andranomadio, fokontany mifanolom-bodirindrina amin’ny Ambalamanasy, ny alin’ny sabotsy 14 jona hifoha ny alahady teo. Olona efatra naratra mafy raha toa ka voaroba ny entana sarobidy. Nambaran’ny niharam-boina fa tena mbola zatovo vao eritrerony avokoa ireo mpanao ratsy. Manao andiany anefa izy ireo ka manao sarotra ny nanoherana azy. Mitondra antsy sy basy poleta koa, ireo mpandroba ireo.

Sajo

Partager sur: