Taorian’ny fahavitan’ny Rallye FMMSAM, dingana voalohany, amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, eo amin’ny familiana fiarakodia, mitarika vonjimaika Rasoamaromaka Faniry, mpanamory avy amin’ny klioba TFM. Manana isa 35, arahin-dRabetafika Daniel avy amin’ny Asa Tanà, amin’ny isa 26. I Aro Kiady, ekipazy ny klioba ASACM kosa ny fahatelo nahazo isa 18.
Raha ho an’ireo mpanamory mpanampy indray, mitarika i Mahenintsoa (Asacm). Nahazo isa 35 izy. Faharoa, Iando manana isa 26 ary fahatelo i Fanja amin’ny isa 18. Eo amin’ny SSV, lohany hatreto i Ferre Jacques, isa 35. Manaraka azy, i Lai Kam Jansen. Mijoro no voalohany eo amin’ny mpanamory mpanampy avy eo i Willy, amin’ity sokajy ity. Eo amin’ny “2 roues motrices” indray, voalohany i Tojo arahin’i Toky ary fahatelo i Tefy. Ny amin’ny mpanamory mpanampy, mitarika i Nirina, arahin’i Hary sy i Maurice. Ho an’ny sokajin’ny tanora mpanamory, misongadina Rasoamaromaka Faniry, arahin’i Aro Kiady ary i Lucas. Dingana manaraka ho an’ny mpifaninana ny “Rallye TMF”, hatao ny 11 – 13 jolay ho avy izao.
Tompondaka