Nanamafy ny governemanta fa ”famosaviana” niniana natao tamin’ny poizina mahery tao anatin’ny mofo ”donut” no niseho teny Ambohimalaza. Olona dimy voasambotra, hiakatra fampanoavana. Tafakatra 19 ireo namoy ny ainy.
“Dimy ireo olona voasambotra miatrika fanadihadiana eny anivon’ny zandarimaria amin’izao fotoana izao”, hoy ny minisitra delege misahana ny Zandarimariam-pirenena, ny jeneraly Andriantsarafara Andriamitovy Rakotondrazaka, omaly. Nitafa tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny hopitaly HJRA ny mpikambana vitsy ao amin’ny governemanta. Efa mandeha ny fanadihadiana sy famotorana ireo ahiahiana, hoy izy.
Hatreto, tsy mbola fantatra mazava ny poizina nampiasaina sy ny antony namonoana ireo mpilanona. Ny hany voamarina dia famosaviana niniana natao izy iny. Manamafy izay rahateo ny minisitry ny Fahasalamana, ny Pr Randriamanantany Zely Arivelo. Nambarany fa ilay mofo “donut“ izay nohanina no nisy poizina. “Nisy ny fakana ny loan’ireo narary sy ny ambin-tsakafo ka nanaovana andrana tamin’ny voalavo. Maty avokoa ireo biby ireo fotoana fohy taorian’izay”.
Aorian’ny fanadihadiana savaranonando, hiakatra fampanoavana ny raharaha sy ireo olona mety ho voarohirohy. “Ho hentitra ny eo anivon’ny fitsarana hijery ny vesatra miandry ireo olona mifandraika amin’ny zavatra nataony, na an-kolaka na mivantana“, hoy ny Tonia mpampanoa lalàna eo anivon’ny Fitsarana ambaratonga voalohany, Rakotoniaina Narindra Navalona. Ampidirina am-ponja vonjimaika ary hentitra amin’ny fisakanana ny fangatahana fahafahana vonjimaika ny fitsarana.
Mirongatra
Miteraka savorovoro sy firoharohan-tsaina ho an’ny vahoaka Malagasy ny firongatry ny fahapoizinana ara-tsakafo (intoxication alimentaire). Olona telo no namoy ny ainy tany Mahajanga, afakomaly alina. Voapoizina tamin’ny “mortadelle” izy telo mianaka. Nisy zaza vao roa taona namoy ny ainy. Efa nidina ifotony nijery ilay magazay lehibe nividianana izany ny manam-pahefana, omaly.
Nisy tranga iray hafa ihany koa tany Toamasina, olona eni-mianaka no tsy maintsy naiditra hopitaly. Nihinana godrogodro nisy sokolà, novidiana teny amoron-dalana izy ireo. Nidina ifotony, nizaha ny zava-misy ny tomponandraikitra any an-toerana, vantany vao niseho ny loza.
Nitondra ny teny fampiononana sy fankaherezana tamin’ny anaran’ny fitondram-panjakana ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Volamiranty Donna Mara.
Mino / Sajo




