FMF sy ny fanjakana: Nanafatra fitaovana hikolokoloana ny bozaka

Miara-mientana! Taorian’ ire­ny fitsidihana nataon’ny Caf ny Kianja Barea, ny volana febroary teo, ireny, nilaza ny minisitry ny Fanatanja­han­tena sy ny tanora (MJS), Marson Moustapha Abdulah, afakomaly, tetsy Mahama­si­na, fa olana iray tsy nahazoana ny fankatoavana ny bozaka. Efa nankatoavin’ny kaonfederasionina afrikanina kosa ny singa valo tamin’ireo sivy no­takiny hatramin’izay. Mano­loana izany, efa nanafatra fi­taovana manara-penitra ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF) sy ny fanjakana, araka ny nambaran’ity mpitantana ny fanatanjahantena eto Madagasikara ity. «Ny antsasaky ny fitaovana, efa ao amin’ny FMF, ary mbola andrasana ny ambiny. Antenaina fa rehefa tonga ny fitaovana rehetra, hiverina hi­lalao eo amin’io kianja io ireo maherifo malagasy, Barea », hoy ny minisitry ny Fanatanja­hantena sy ny tanora. Etsy ankilany, ny eo anivon’ny FMF dia tsy azo antso, hatramin’ny omaly. Tsara ny mampahatsiahy fa ny volana mey lasa teo, tonga nanao fitsirihana farany teo Mahama­sina, ilay manampahaizana mahakasika ny bozaka, avy amin’ny Caf. Taorian’io, tsy nahenoina resaka intsony ny mahakasika ity Kianja Barea ity.

F. R

Partager sur: