Nitondra fanazavana momba ny raharaham-pirenena ny filoha Rajoelina Andry. Anisan’izany ilay raharaha fanapoizinana nahafatesana olona 20 sy ny olan’ny Jirama ary ny fanamarihana ny fetin’ny 26 jona.
Nambarany tamin’izany fa tsy maintsy ho hita ny marina amin’io Raharaha fanapoizinana nahafatesana olona io. Notantarain’ny filoha antsipiriany ny fizotry ny raharaha. “Efa hita ilay ahina ho tompon’antoka ary lonilony tamin’ny 2022 eo amin’ny samy mpihavana sy namana io tranga io. Nitohy amin’ny valifaty izany”, hoy izy. Notanisainy tamin’izany fa tafiditry ny resaka mpimasy sy ody mahery ary vovo-javatra koa izany. Efa manomboka hita taratra araka ny fanadihadiana ny momba io raharaha io. Hatreto, miisa 20 ireo maty ao amin’ny HJRA sy tamin’ny toeran-kafa ary sivy ireo sitrana soa aman-tsara. Enina kosa efa nihatsara. Efa nalefa any Frantsa ireo sakafo nahafaty olona ireo hanaovana fitiliana. Notsindrin’ny filoha fa tena very sy simba ny soatoavina maha malagasy manoloana ity raharaha iray ity.
Hihena ny delestazy amin’ny atoandro
Momba ny Jirama kosa, nambaran’ny filoha fa anton’ny delestazy ny fahasimban’ny vata mpanova herinaratra eny Anosizato. Vahaolona narosony ny fametrahana toby iray eny Soavina. Nanteriny anefa fa tsy maintsy vita mialoha ny 26 jona ilay simba. “Efa antitra ny fotodrafitrasa ary tsy nisy fanamboarana hatramin’izay ka izao vao hanavao tanteraka isika”, hoy izy. Nambarany koa fa eo ny halatra ao amin’ny Jirama ary efa sarona izany ka tsy maintsy gadraina, araka ny fanamafisany. Tsy maintsy hotratrarina koa ireo tambajotra nanodinkodina ny solika tokony hampiasain’ny Jirama, araka ny nambarany hatrany. Anisan’izany ny tany Mahajanga sy ny any Antsiranana. Na izany aza, nambarany fa tanjona ny hahafahana mampihena ny solika ampiasain’ny Jirama. Hahena, araka izay azo atao ny delestazy, indrindra ny amin’ny atoandro ary hampitomboina ny solika. Harahi-maso akaiky avokoa izany rehetra izany, araka ny nambarany.
Fitaterana maimaimpoana amin’ny “Bus électrique”
Ankoatra izany, notsiahiviny ny hetsika hankalazana ny fetin’ny Fahaleovantena amin’ny fanaovana matso sy ny afomanga ary ilay “Bus électriques” miisa 312 horaisina ny alatsinainy izao. “Hotaterina maimaimpoana amin’izany ireo hijery ny Jet d’eau eny Ivato mba hijerena ny Laser, drones… sy seho” hoy izy.
Etsy andaniny, nahazo fiaramanidina telo ny fanjakana ka efa tonga ny roa ary karazanany “LET 410″ ireo ka hatolotra ny Foloalindahy.
Synèse R.




