Voasambotra teny Andranomanalina ny iray tamin’ireo mpisoloky mpanakalo vola eo Analakely. Naka volan’olona mitetina 4 000 euros izy ireo ka tratra ary naiditra any Antanimora, afakomaly.
Roa lahy nisandoka vola vahiny 4 000 euros izay mitetina 20 780 000 Ar, nalefa eny Antanimora miandry ny fitsarana azy, afakomaly. Mpanakalo vola eo Analakely sady mpanao taxi-moto ny iray amin’izy roa lahy. Nanatona azy ireo ny ramatoa iray nitondra lelavola 4 000 Euros. Nifanaraka ny roa tonta fa hatao ny fifanakalozana ka tanterahina eny amin’ny kaominina Anosiala. Nitondra moto ireo roa lahy rehefa nigadona teny amin’ny toerana nifanomezany tamin’ilay ramatoa. Niditra tao anatin’ny fiaran’ny mpanakalo, nojeren’izy roa lahy ireo vola vahiny ireo ka nolazainy fa sandoka ny 2 000 euros. Tsy hita popoka ireo mpisoloky taorian’io fotoana io kanefa lasan’izy ireo ny vola.
Tratra teny Andranomanalina
Nametraka fitoriana teny anivon’ny CSPI Analakely ny lasibatra. Niroso tamin’ny fikarohana ny ekipan’ny polisim-pirenana. Voasambotra teny Andranomanalina ilay mpanao taxi-moto sady mpanakalo vola. Nitoroka ny namany izay niara-nanao ny fisolokiana taminy ity farany. Voasambotra izy roa lahy ka nentina natao famotorana ary natolotra ny fampanoavana. Manentana ny tsirairay tsy hanakalo vola amin’ny toerana tsy ara-dalàna sy tsy natokana ho amin’izany ny polisy hisorohana ny tranga tahaka izao.
Tsiferana R.




