Maty voatifitry ny dahalo ny mpanaradia taorian’ny fifandonana tao Ankaditapaka, fokontany Mahazoarivo, kaominina Belobaka, afakomaly. Omby efatra norobain’ny dahalo telo lahy izay samy nitam-basy, tao an-toerana, tamin’ny 11 ora alina. Nianavaratra ireo mpandroba ka nanara-dia ny vatan-dehilahy tao an-tanàna. Nirefodrefotra ny basy tamin’ny 2 ora maraina. Lavon’ireo tsy valahara tamin’izany ny lehilahy iray anisan’ireo mpanaradia. Rakotra diam-balan’ny dahalo ny vatany. Naratra ny telo hafa. Nentina nihazo ny toeram-pitsaboana avy hatrany ireo olona telo ireo. Nanohy ny fikarohana ireo dahalo ny zandary miasa ao an-toerana. Tafaverina ny omby iray raha toa ka mbola eny am-pelatanan’ireo olon-dratsy ny namany. Mananosarotra ho an’ireo mpanaradia ny fananan’ny dahalo fitaovam-piadiana mahery vaika ahafahany mifampitana amin’ny mpitandro filaminana.
Tsiferana R.




