Lehilahy 27 taona tratra namaky tranon’olona iray teny amin’ny kartie Jirama, fokontany Antanety II, kaominina Ambanivohitra Alakamisy Fenoarivo, afakomaly alina tamin’ny 9 ora. Notapahiny ny «grille de protéction» ary niditra tao an-trano. Nikasa hangalatra entana sarobidy sy lafo vidy tao anatiny ity farany. Tsy misy olona mipetraka ao anatiny ary tsy tao ihany koa ny mpiambina. Nirehitra tampoka ny jiro tao anaty efitra iray, niantso zandary haingana ny fokonolona. Nidina teny an-toerana ny zandary telo avy ao amin’ny Poste avancé Vontovorona taorian’izay. Efa niambina sy niandry io olon-dratsy io teny ivelany ny fokonolona fa tsy sahy nisambotra noho ny toromarika avy amin’ny zandary. Mba hisorohana ny fitsaram-bahoaka, natao ny fikarohana ary hita sy niafina tao anaty armoire izy. Nasaina nivoaka ary nosamborina. Saika nanao fitsaram-bahoaka ny olona satria tezitra amin’ny fisian’ny hala-boty eny an-toerana nandritra ny fotoam-pahavaratra. Niezaka nandamina ny sain’ny vahoaka anefa ny zandary. Nahitana “pince coupante” iray sy tady lava ary kitapo lehibe teny aminy. Ampiasainy hamatorana ny entana nokasainy halainy. Efa nipetraka teny amin’ny kartie Jirama ity olon-dratsy ity taloha fa noroahin’ny fokonolona satria nangala-badin’olona. “Faritra anisan’ny milamina sy tsy ahitana fanafihana mahery vaika eny an-toerana tao anatin’ny taona maro. Efa nihena ny taha ary tratra avokoa ireo manao ratsy”, hoy ny Chef de Poste eny Vontovorona, Fidimalala Noah.
Mino




