« World Cola PFL » : Nahazo rariny ny As Fanalamanga

Araka ny fanadihadiana natao omaly, nahazo rariny teo anivon’ny fitsipi-pifehezana (Codis) an’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), ny fitarainana ataon’ny As Fanalamanga.

Tsiahivina fa nametraka fitarainana teo anivon’ity sampandraharaha ity, mahakasika ilay baolina tafiditr’izy ireo, teo anatrehan’ny CFFA Andoharanofotsy, saingy nolavin’ny mpitsara mpanampy, ny As Fanalamanga. Ity lalao ity izay tafiditra amin’ny ampahefa-dalana miverina « World Cola PFL ». Raha ny filazan’ilay loharanom-baovao iray eo anivon’ny As Fanala­manga, mety haverina ny fifanandrinan’ny roa tonta ka hotontosaina any Toamasina izany, saingy ny fotoana no tsy voafaritra. Etsy ankilany anefa ny dingana manasa-dalana izay nihaonan’ny CFFA sy ny Cosfa nizotra tsara teny By-Pass, omaly. Rehefa nanontaniana ry za­reo, nilaza fa tsy mbola naharay ny taratasy milaza ny mahakasika izany. « Taratasy milaza fa miatrika ny manasa-dalan’ny World Cola PFL, no azonay, ary efa neken’ny mpitsara sy ny kaomiseran’ny lalao », hoy indray ity mpampita vaovao iray ao amin’ny CFFA ity. Mbola manan-jo hametraka ny fitarainany ihany koa ity ekipan’ny CFFA ity, raha ny filazan’ny eo anivon’ny federasionina. Mari­hina fa niondrika teo anatrehan’ny miaramila tamin’ny isa 4 no ho 2, ny mpilalaon’An­doha­ranofotsy. Andrasana moa ny tohin’ity raharaha ity, ary samy miandry ny fanapahan-kevitra farany horaisin’ny federasionina ny andaniny sy ny ankilany. Nisongadina ny ekipan’ny Elgeco Plus. An­koatra izay, miezaka mampiseho ny heriny amin’ity fifaninanam-pirenena ity ny ekipan’ny Elgeco Plus. Lavon’izy ireo tamin’ny isa 3 no ho 0 ny klioban’ny Mama FC, omaly. Tsara ny mampahatsiahy fa tompondaka lefitra tamin’ny taona lasa ny Elgeco Plus.

Fitia Randria

Partager sur: