Rugby a 7, sokajy lehilahy: Hiady ny tapakilan’ny Mondial ny Makis

Nanainga omaly, hihazo an’i Maurice, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika sy ny ady tapakila ho an’ny “Mondial 2026”, taranja rugby, lalaovin’olona 7, lehilahy, ny Makis de Madagascar. 13 ireo mpilalao hanao ka anisany ilay Malagasy mizaka ny zom-pirenena frantsay, i Hugo Manolo. Nambaran-dRazily, mpanazatra, fa tsy olom-baovao izy fa efa niaraka nanao fanazarantena tamin’ny Makis nandritra ny fihaonana tany Pologne, tamin’ny taon-dasa ary maniry ny hanatevina ny ekipa ka niresaka tamin’ny Malagasy Rugby. Efa nanaraka fanomanan-tena teto Madagasikara, nandritra ny fotoana ela. Milalao ao amin’ny Bordeaux-Bègles France, izy. Ankoatra azy, vaovao koa i Chrisiano, Makis U18. Noma­rihin’ny mpanazatra fa efa nahitsy avokoa ireny lesoka tamin’ny taon-dasa ireny, indrindra ny fikoropahana sy ny tsy fifantohana anaty lalao. Manana herijika ny Makis handrombaka ny amboara sy hiatrika ny “Mondial 2026” satria efa tafakatra avy hatrany i Kenya sy i Afrika Atsimo. “Ezahina izany ny hahatafidirana fahatelo na hiatrehina ny famaranana”, hoy izy.

Tompondaka

Partager sur: